Politique

Raveloson Constant Takalon’aina ny mpiasan’ny Radio Fahazavana


  • Talata 14 Septambra 2010

Niresaka manokana ny amin’ny Radio Fahazavana i Constant Raveloson omaly tao amin’ny Magro Behoririka.

 Tamin’izany no nanehoany ny fomba fijeriny sy ny heviny manodidina ny nanomezana fahafahana vonjimaika ireto mpiasa folo mianadahy tao amin’ity onjampeon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ity. Faly ianareo, hoy izy fa nivoaka ny Radio Fahazavana, “ny tenako kosa tsy faly satria olona tsy meloka ireny ary na namako aza rehefa LP (fahafahana vonjimaika) tsy miarahaba aho”. Tsy ilaina ny LP fa fahafahana tsy misy raorao no ilaina ho azy ireo, hoy i Constant Raveloson. Sa kosa ve dia takalon’aina toy ny fanaon’ny Al Qaida ireny ? Ny olona tokony hotsaraina, hoy i Constant Raveloson, dia ny olona nanapotika sy nanimba ny Radio Fahazavana.

Mikasika ireo teny miendrika fandrahonana ataon’ny mpitandro ny filaminana ny Ankolafy Telo indray dia tsy niandry ela ny valin-kafatr’i Constant nilaza fa manao politika koa ny mpitari-tafika ankehitriny. “Fantaro fa rehefa ny olona iray no milaza fa misy mpanakorontana dia efa mikorontana koa izay ny sainy”, hoy izy.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT