Politique

Raveloson Constant Ny demokrasia tsy resin’ny basy


  • Alakamisy 16 Septambra 2010

Mitohy am-pilaminana ny hetsiky ny mpomba ny Ankolafy Telo ao amin’ny Magro Behoririka. Taorian’ny fikasana nataon’olon-tsy fantatra hanakorontana sy handrava ity hetsika ity dia tonga niaro ny toerana ahafahan’ireto mpitolona “tony fihetsika” ireto maneho heviny an-kalalahana sy ampitoniana ny mpitandro ny filaminana.

Ary dia mitohy tokoa. Porofon’izany dia niverina an-kianja ireo lohandohan’ny mpisorona rehefa nanjavona fotoana vitsy. Tsy maintsy tonga eto aho ary mandray fitenenana, hoy i Constant Raveloson, satria Andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia koa androany mantsy ny omaly io. Nambarany fa mbola bala rora sy basy vava no ao Behoririka, ka avelao hiteny daholo. Diso, hoy izy ny fieritreretana fa ho resin’ny vodibasy ny demokrasia ary andrin’ny demokrasia ny fitsarana marina. Mikasika ny fivoriana teny Ivato dia nahitsy ny tenin’i Constant fa novaina zava-kafa ny tinapaka nandritra ny Dinika Santatra ary nitondrana olon-kafa teny Ivato hanohana azy, ka moa tsy fanitsakitsahana ny hevitrareo va izany ?

Momba ny amnistia na famotsoran-keloka izay nampisavorovoro ny mpizaika teny Ivato, nitohy mandrak’alina teny amin’ny lisea teknika Alarobia, dia fanontaniana fampieritreretana no nentin’ny tao amin’ny Magro hoe iza no tokony homena amnistia, ny olona mitondra olona hovonoina sy dorana sa ny miambina Lapa ? Maninona no havakavahina ny fanomezana azy io, hoy i Zafilahy Stanislas sa nahazo vola ny vaomiera mandinika azy io ?
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT