Politique

Raveloson Constant Mitovy tamin’ny 17 martsa ihany no nataon-dRajoelina tao Mahamasina


  • Talata 09 Novambra 2010

“Mafy izany te hitondra sy hanao fitsapan-kevi-bahoaka izany ka avoaka daholo na izay tsy tokony avoaka aza”, hoy Raveloson Constant tsy nitsitsy fitenenana momba ny zavatra nataon’i Andry Rajoelina teny Mahamasina.

Fanontaniana maromaro no napetrany. Isan’izany ny hoe “taiza tokoa ianao no tsy nahita, taiza ingahy Rajoelina tamin’izy ben’ny tanàna satria tsy nodiovin’ireo mpandimby azy akory na ny tatatra na ny lakan-drano”. Nohamafisin’i Dauphin, avy amin’ny ankolafy Zafy moa fa nambaran-dRajoelina fony izy nilatsaka ho ben’ny tanàna fa hametraka Antananarivo ho moderna izy. Kanefa mpivarotra amoron-dalana sy petite vitesse mikorontana sy kianjan’ny demokrasia mihidy ve no taratr’izany hoe moderna izany.

Tetsy andanin’izany moa dia nambaran’i Raveloson Constant ihany koa fa mitovy tamin’izay nataon’i Andry Rajoelina tamin’ny 17 martsa ihany no natao tao Mahamasina. Mbola fanontaniana ihany no napetrany ny amin’ny hoe ahoana ny hametrahana metro anaty tany lonaka toa an’Antananarivo. Mandeha amin’ny herinaratra koa ireny karazam-pitaterana ireny, hoy izy, kanefa ny delestazy aza eto tsy voafehy. Ankoatra izay tsy maintsy ho betsaka ny trano horavaina ary izay sisa tsy rava hihovitrovitra amin’ny fandalovan’ny metro. Tsy orinasa madinika, hoy ihany izy no afaka hamatsy vola karazana tetikasa toa ireny fa tsy maintsy matajanka toa ny banky iraisam-pirenena sy ny tahirim-bola iraisam-pirenena. Fanontaniana hatrany no napetrany raha toa ka efa namidy Madagasikara ka nahazoana volabe hanaovana ireo tetikasa ireo, firy taona ihany koa no heverin-dRajoelina hitondrany ny tetezamita ka heveriny hanaovana zavatra be dia be toa ireo.

Ankoatra izany dia nohitsian’ity mpitari-tolona avy amin’ny Mfm ity ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ny CT sy CST izay tsy avelan-dRajoelina miteny akory fa tratry ny ny bemanaiky. Ombalahy tanimanga ny EscRopol, hoy izy.

 
Nangonin’i Soa 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT