Politique

Raveloson Constant «Miova ny tantara !»


  • Alakamisy 07 Jolay 2011

Nidina an-kianja tao Behoririka omaly Raveloson Constant, mpanao politika mpikambana ao amin’ny antoko MFM sady mpitolona ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, rehefa tapa-taona tsy nandia izany faritra izany noho ny hazalambo nataon’ny mpitondra ankehitriny azy.

 Mihodina ny tantara, hoy izy. Tifitra sy baomba ary fampitahorana hatrany no nahazo antsika teny am-piandohana nefa ireny no nahazoantsika ny Maputo, Addis Abeba sy Pretoria. Miova ny tantara, hoy izy, satria ilay nilaza fa tsy handeha tany Gaborone raha tsy hahazo fanasana amin’ny anarana filohan’ny tetezamita dia nataon’ny olona filohan’antoko fotsiny nony tonga tany. Miova ny tantara, hoy ihany i Constant ka afaka mody tsy misy fepetra i Marc Ravalomanana. Dingana fanomanana ny fiverenany no nataontsika ny tamin’ny19 febroary 2011, hoy izy. Ankehitriny izy mody tsy misy fepetra, koa mivonona ! Ny mpanao politika sy ny manamboninahitra mandalo daholo fa ny vahoaka hatrany no mandresy, hoy Raveloson Constant namarana ny teniny.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT