Politique

Raveloson Constant Mibaiko ny SADC hiala amin’ny sori-dalana i Goldblatt


  • Zoma 25 Janoary 2013

Nasaina nanao toeran-tsy zaka tamin’ny ireo mpampiasa vola vahiny hafa ankoatry ny Frantsay eto amintsika i Andry Rajoelina ka iny vavan’ny masoivoho frantsay vaovao iny no tambin’izany, hoy i Constant Raveloson nametra-panontaniana manoloana ny teny nataon’i François Goldblatt, iraka vaovaon’ny Frantsay tonga hiasa eto Madagasikara.

 Fantatr’i Andry Rajoelina tsara, hoy i Constant Raveloson fa tsy marina ny filazana fa 1% monja ny vola ampidirin’ireo orinasa goavana ireo, fantatr’i Golblatt ihany koa fa tsy afaka miala amin’ny sori-dalana nifaneken’ny rehetra ny famahana ny krizy. Eo koa ny fampanantenana nilazany fa hitondra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny hoe : ny fifidianana solom-bavam-bahoaka no alefa mialoha. Manoloana izany dia mbola fanontaniana no napetrak’i i Constant Raveloson raha toa ka i Golblatt no hibaiko ny SADC hiala amin’ny sori-dalana, ka hanatontosa hatramin’ny farany ny fanonganana an-dRavalomanana izay tsy vitan’i Andry Rajoelina.

Manome toky ve i Frantsa, hoy izy fa mankatoa io fomban-dRajoelina amin’ny fampiasana ny tetibolam-panjakana, ny fitaovam-panjakana ary ny fahefam-panjakana hanohanana ny taritariny amin’ny fifidianana ? Mametra-panontaniana koa i Constant Raveloson ny amin’ny nanesorana ilay masoivoho frantsay teo aloha, Belliard izay amam-bolana vitsy ihany no niasany teto. “Iny ve izany diso nijery loatra ny zavatra iarahan’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena fa ity kosa voatosik’ireo mpampiasa vola frantsay hafa, hitsapa an-dRajoelina handroaka ireo mpampiasa vola vahiny hafa ka hampaisany ny fahefany ho an’i Frantsa”, hoy izy. Araka izany dia mibaribary fa resaka ady tombontsoa no olan’i Frantsa amin’i Madagasikara sy ireo mpitondra teo aloha ka nahatonga izao krizy tsy manam-pahataperana izao.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT