Politique

Raveloson Constant “Hiova ny tetezamita !”


  • Zoma 24 Jona 2011

«Ny hametrapetrahana ny fombafomba hanatanterahana ny fodian’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana no dingana hatrehina manaraka izao», hoy Raveloson Constant.

 Nambarany fa mitaky fanamboarana ny governemanta izay homena andraikitra no hanatanteraka izany. Araka ny fanazavany dia tsy hoe fepetra hanekena na hahazoan’ny filoha mody na tsia no adihevitra ankehitriny fa izay fomba hahatanteraka ilay fampodiana azy. Miziriziry tsy hanome alalana ny hiverenan’ingahy Ravalomanana anefa ny fitondrana FAT satria ambarany fa tsy mbola fotoanany izao. Ho an-dRaveloson Constant, avy amin’ny MFM anefa dia mazava ny resaka : “havoakan’ny mpanohitra ny fepetra dia ho hita eo ny fizotrany”, hoy izy.

Araka ny fanazavana ihany dia “tsy hijanona ny hetsi-bahoaka fa hitohy hatrany”, eo koa ny asa eo amin’ny sehatry ny diplaomasia na eto an-toerana io na any ivelany. “Tsy maintsy hiova ny firafitry ny tetezamita ary dia hahazo ny iraka mazava ny governemanta momba ny fodian’ny filoha Ravalomanana eto. Anisan’izany”, ohatra, ny tokony hisiana andiana miaramila hanankinana manokana ny fiarovana azy, ny fisiana toerana azo antoka honenany sy hiasany. Ankoatra ireo moa dia efa manana ny iraka efa mahazatra azy koa ny governemanta tetezamita.

Araka izany dia asa goavana manokana miandry izay fitondrana tena tetezamita hijoro eo ny fampanjariana ny fodian’ireo sesitany politika rehetra, indrindra fa ingahy Marc Ravalomanana. Nambaran-dRaveloson Constant fa tsy hipetra-potsiny ireo mpomba ny filoha fa handray anjara amin’ny fampodiana sy ny fiarovana azy.

 

Soa

 

Sary : Tsy hijanona ny hetsi-bahoaka fa hitohy hatrany, hoy i Raveloson constant

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT