Politique

Raveloson Constant «Avelao hody Ravalomanana sy Ratsiraka !»


  • Talata 03 Aogositra 2010

“Raha toa ka eto Madagasikara no tsy maintsy hanaovana ny fifampidinihana amin’ny fikaroham-bahaolana ivoahana amin’ny krizy dia tokony havela mody an-tanindrazana an-kalalahana ny filoha mirahalahy, Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana, mba hitarika ny ankolafy misy azy tsirairay avy”, hoy i Constant Raveloson avy ao amin’ny antoko MFM.

 Amin’ity mpanao politika mahitsy fitenenana ity dia rariny loatra raha ireo mpifanandrina politika nipoiran’ny olana teto ka nahatonga izao krizy izao no mihaona sy mifanatri-tava. Ary tsy vitan’ny hoe avela mody eto an-tanindrazana fotsiny ireo filoha teo aloha mirahalahy ireo, fa avela haneho ny heviny sy hanao politika malalaka, araka ny fanazavany ihany. Ankoatra izay dia mbola misy ihany koa ny fepetra tokony hotanterahana mba hanaovana ny dinika ao anatin’ny fo tony sy ny firahalahiana tanteraka, raha ny fijerin’i Constant Raveloson ihany. Anisan’izany ny tokony hamoahana ireo gadra politika tsy an-kanavaka noho izao krizy izao, ary diovina ny momba azy ireo, izany hoe atao ny famotsoran-keloka faobe, izay tsy voatery hiandry ny fijoroan’ny Antenimiera, fa azo atao tsara amin’ny alalan’ny fifanarahana politika eo amin’ireo ankolafy tsirairay avy. Amin’i Constan Raveloson dia tsy olana mihitsy na Malagasy na vahiny, na ny Malagasy sy ny vahiny no miaraka manelanelana amin’ny famahana ny krizy, fa amin’ny maha fanelanelanana azy dia tsy maintsy manatrika ny fivoriana ireo izay nifanolana rehetra, fa tsy hoe ny sasany ihany no eo, ary ny sasany dia handefa solontena.

Raha adika tsotsotra ity fanehoan-kevitra ity dia milaza fa hafa mihitsy ny adihevitra rehefa mifanatri-tava ireo mifanolana. Ho an’ny eto amintsika dia Atoa isany Ravalomanana sy Rajoelina no tsy maintsy mihaona sy mifanazava tsara aloha ary miditra an-tsehatra indray avy eo Atoa isany Didier Ratsiraka sy Zafy Albert izay manana andraikitra ihany koa amin’izao krizy izao satria samy nanohatra fatratra ny fitondrana Ravalomanana, ary nisy fotoana aza, nanampy mihitsy an’i Andry Rajoelina tamin’ny fanonganam-panjakana nataony.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT