Efa-taona izao no nisian’ny tolona, nijoroan’ireo vahoaka mandala ny ara-dalŕna.
Ao anatin’izany tolona izany ny fanoherana ny mpanongam-panjakana, ny ady amin’ny fanaovana barofo sy fandrobana harem-pirenena, indrindra ny famerenana ny ara-dalàna. Efa-taona, isan’andro na hafanana mamaky loha sola na hatsiaka mamanala na oram-batravatra dia nijoro teo foana ireo vahoaka ireo. Nitety toerana maromaro amin’izay fanehoan-keviny izay. Ho azy ireo dia tsotra ny resaka, tsy misy fifidianana raha tsy tafody an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana, izany hoe ny fampiharana ny andininy faha-20 ao anatin’ny sori-dalana.
Mila ampiharina io sori-dalana io ary ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra no antoky ny demôkrasia. Raha te hilamina ara-politika, hanana repoblika marin-toerana isika, hoy Ravelonanosy Mamy Tiana dia mila fampihavanana, mila famafan-keloka faobe satria raha mbola misy ny fanilikilihana dia tsy hisy fitoniana eto. Marina fa miandry fifidianana ny vahoaka saingy mila filaminana sy fitoniana mialoha ny zavatra rehetra. Nambarany ihany koa fa raha resaka fifidianana na ny CENI-T aza mbola mila fanamboarana satria ny eny anivon’ny Kaominina, ohatra, dia tsy mbola tafapetraka ary tsy milamina ihany koa ny eny amin’ny Distrika.
Mikasika ny adin’ny praiminisitra sy ny prezidansa indray dia nambaran’ity mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita ity fa misy paipaika tian’ny mpomba an-dRajoelina hatao, izany hoe te hanolo ny praiminisitra ry zareo ao amin’ny prezidansa hahafahany mametraka izay ho kandidam-panjakana. Izany anefa dia hiteraka krizy vaovao indray, hoy Ravelonanosy Mamitiana. Samy nanitrikitrika ireo nandray fitenenana teny amin’ny kianjan’ny Mgaro Behoririka omaly fa ny fisiana fifidiana filoham-pirenena no hamarana ny tetezamita lavareny. Hitondra ihany koa amin’ny famahana ny krizy. Tsy hisy anefa izany fifidianana izany raha tsy tafaverina aloha ny filoha Marc Ravalomanana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.