Politique

Ravalomanana tao Ambohimangakely “Hiaraka isika hampandroso an’i Madagasikara”


  • Alarobia 20 Jolay 2011

Mitohy ny fanetsehan’ny Birao politikan’ny Tiako I Madagasikara ireo mpikambana fototra, amin’ny fiomanana amin’ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana sady filoha mpanorina ny antoko ary koa ho fiatrehana ny fifidianana ho avy.

 Ny faran’ny herinandro teo dia tao Ambohimangakely, Distrikan’Antananarivo Avaradrano no nisian’ny fihaonana. Nisolo tena ny birao foiben’ny antoko tany ny Depiote teo aloha isany Ravelonanosy Mamitiana (Ankazobe) sy Rakotoarisoa Etienne (Antananarivo Avaradrano), notronina Ben’ny tanàna roa sy ireo mpikambana amin’ny Com TIM eny an-toerana. Niditra nivantana an-tariby avy atsy Afrika Atsimo nandritra io fihaonana io ny filoha Ravalomanana, izay nanamafy ny hiverenany an-tanindrazana. “Hiaraka isika”, hoy izy, amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nahitana mpiasam-panjakana ihany koa tamin’ity fihaonana tao Ambohimangakely ity. Nanazava ny antony nandraisany anjara izy ireo fa tsy noho ny resaka politika fa miara-dia kosa amin’ny hamerenana ny ara-dalàna eto Madagasikara. Fanamby apetrak’izy ireo amin’ny Filoha Ravalomanana dia ny hamerenana ny hasin’ny mpiasam-panjakana. Araka ny fantatra dia ry zareo eny Ampitatafika indray anio no hanao hetsika.

 

Nangonini Jean D.

 

Sary : Hetsiky ny Tiako I Madagasikara tao Ambohimangakely

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT