Efa tena henjana ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra Menabe.
Maka izay rehetra misy ny malaso toy ny omby, akoho amam-borona, eny hatramin’ny lamba miahy eny an-tokotany aza.Velon-taraina ny mponina. Faly sy velom-panantenana kosa anefa rehefa misy raiamandreny mihaino azy ireo sy mikaroka vahaolana. Nijery ifotony ny zava-misy tany amin’ny faritra Menabe ny faran’ny herinandro teo Atoa Marc Ravalomanana. Ny alarobia 12 aprily izy no nigadona tao Morondava ka maro ny olona nihaona sy niresaka taminy na ireo mpikatroka TIM sy Zanak’i Dada ary ny VOT na ny olon-tsotra sendra azy teny an-dalana sy teny amoron-dranomasina teny. Nitsidika ny Bazar be tao Morondava i Marc Ravalomanana ny sabotsy lasa teo, niresaka tamin’ireo mpivarotra ary nandroso soso-kevitra ny amin’ny tokony hanadiovana tsena satria maloto loatra kanefa ao no amarotana ny hanin-kohanin’ny mponina isan’andro. Nifandamina ny rehetra ka raikitra fa hotanterahana anio. Hitarika ny olona amin’izany ny solombavambahoaka teo aloha Fadolah. Maro be hatrany moa ireo olona manantena ny hiverenan’i Dada eo amin’ny fitondrana satria mahatsapa tsara izy ireo fa nilamina ny fiainana, nisy ny asa, misongadina ny fampandrosoana ny firenena. Niha krizy kosa rehefa niditra ny tetezamita tamin’ny 2009 ary ankehitriny moa dia efa tena fahoriana tsy roa aman-tany no iainan’ny Malagasy manerana ny nosy .
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.