Politique

Ravalomanana tany Betafo “Azo avadika ho volabe ny ovy”


  • Talata 11 Aprily 2017

Nitsidika an’i Betafo i Marc Ravalomanana sy ramatoa vadiny omaly alatsinainy 10 aprily. Tazana niaraka tamin’izy ireo ihany koa i Sarah Ravalomanana.

 

 Fifampiarahabana noho ny taona vaovao tamin’ireo mpikambana TIM no tena anton-diany tany ary tsy nikabary lava i Dada fa niompana tamin’ny hafatrafatra ho an’ireo Malagasy no nataony. Nambarany hatrany fa matoa ireo vahoaka marobe tonga mihaino azy dia te hahalala vaovao marina ka mila sokafan’ny fitondrana ny MBS hitafana amin’ny vahoaka. Tsy ny sekretera jeneralin’ny minisitera no hibaiko ny fitsarana, hoy izy. Niantso fifanajana eo amin'ny zanaka sy ray amandreny ary eo amin'ny mpiara-monina, ny mpanao politika, ary eo amin'ny mpitondra sy ny vahoaka ny tenany. Io ihany no lalana hivoahantsika amin'ny fahantrana, ka hatongavantsika malaky any amin'ny fandrosoana, hoy izy. Nambarany fa mbola tena manana fanantenana ny mponin’i Betafo ka tsy tokony hofitahina amin’ny fampanantenana poak’aty lava intsony. Anisan’ny nitarainan’ny vahoaka taminy ny tsy fandriampahalemana. Nandritra ny tafa fohy tamin’ny mpanao gazety no nilazan’i Marc Ravalomanana fa tokony hojerena manokana ny fanodinana ny vokatra ao Betafo, toy ny ovy sy ny voatabia. Nambarany fa mila jerena ny fanodinana ny ovy hiteraka loharanom-bola ho an’ny tantsaha. Azo heverina ny hananganana orinasa hamadika ny ovy ho “Chips” na “Frite”, ka ho azo amidy any ivelany toy ireny hita eto amintsika ireny. Hisy ny teknisianina manokana handinika izany. Ilàna fanatsarana ihany koa ny vokatra mba hanaraka ny fenitra ny zavatra atao. Tsy nilana Artista ny hetsika fa ny filoha Ravalomanana dia efa nahavory vahoaka ary nifandrombahana ny nadray ny tanany. Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanana hafa nialoha io. Niantsoana mpanakanto malaza tamin’ny fanentanana fa tsy nahafeno kianja. Mbola ao am-pon’ny mponin’i Betafo tanteraka ny filoha Ravalomanana mianakavy.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT