Mihamafana ny toe-draharaha mampifanditra ny ankolafy Ravalomanana sy ny fanjakana foibe, tarihin’i Hery Rajaonarimampianina.
Na teo aza ny antsojay isan-karazany natao tamin’i Marc Ravalomanana, toy ny fakana ny tanin’ny Tiko eny Andohatapenaka, dia niezaka nandefitra sy nangina ny tenany, ary niantso ny fanjakana hanara-dalàna. Na eo aza ny antsojay amin’ny fisakanana ny fisokafan’ny haino aman-jery MBS, dia ny fiantsoana ny filankevi-panjakana sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hijery akaiky ny raharaha no nataony. Mitohy anefa ny fihantsiana isan-karazany ataon’ny fanjakana foibe. Omaly dia noravan'ny andian'olona notarihin'ny kolonely Ramiaramanana Joseph ny trano iray eny Ankorondrano izay nampiasain’ny orinasan'i Marc Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny. Efa miakatra kosa ny maripana noho ny fanaovana be marenina amin’ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena, ka manomboka tsy mikoso-maso intsony i Marc Ravalomanana sy ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) manoloana ny zava-doza tsy roa aman-tany eto amin’ny firenena. Nampiaka-peo ny solombavambahoaka avy amin’ny antoko TIM omaly manoloana ny famotsorana an’i Claudine Razaimamonjy, izay nanambara mihitsy fa ny fanjakana faratampony no nampandositra ity vehivavy voarohirohy tamina kolikoly avo lenta ity. Tsy afaka ny hiray tsikombakomba amin’ny zava-doza asehon’ny mpitondra ny antoko TIM, izay akaiky sy miaraka hatrany amin’ny vahoaka. Takiana ny hitondran’ny fanjakana fanazavana mitombina mikasika iny raharaha iny.
EFA MAILO
Mbola tadiavina hatrany izay fomba rehetra hisakanana an’i Marc Ravalomanana tsy hirotsaka amin’ny fifidianana 2018, na dia somary mangingina aza iny resaka iny. Kendrena hatrany izay hampitsabahana an’i Marc Ravalomanana, toy ny resaka fanakorontanana hahafahana misambotra na managadra azy. Hatao izay handranitana hatrany azy hanaotao foana, saingy tsy mety tafaroboky ny HVM ny tenany. Efa mailo i Marc Ravalomanana sy ny Antoko TIM, ary heverina fa efa miomana amin’ny paikady vaovao hoenti-miady manoloana ny antsojay sy fanaovan’ny fanjakana be marenina, indrindra ny fanomanana ny fifidianana ho avy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.