Politique

Ravalomanana sy ny Afrikanina tatsimo Nifampidinika teny Faravohitra


  • Alarobia 26 Jolay 2017

Nihaona tamin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra nandritra ny ora iray sy sasany omaly hariva ireo delegasionina avy amin’ny governemanta Afrikanina tatsimo izay mamita iraka eto Madagasikara amin’izao fotoana.

 Nitarika azy ireo Rtoa Maud Vuyelwa Dlomo masoivohon’i Afrika atsimo eto Madagasikara. Fantatra fa manaraka akaiky ny zava-misy eto Madagasikara ry zareo ka mijery ny lafiny ara-politika, ny sosialy sy ny toekarena ary ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Nanontany ny olana ny amin’ny tsy nahatanterahan’ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara ihany koa ireto iraky governemanta Afrikanina tatsimo ireto. Nanazava tamin’ny andinindininy momba izany Atoa Marc Ravalomanana filoha nasionalin’ny TIM mikasika ny dingana narahana sy ny raharaham-pitsarana efa vita ka nanome rariny ny TIM. Nohamafisiny ihany koa fa manara-dalàna ny antoko tarihany sy ireo olona miaraka aminy ary tsy hanakorontana izany. Anisan’ny tazana teny Faravohitra ihany koa Ramatoa Hanitra Razafimanantsoa sy i Guy Rivo Randrianarisoa izay samy solombavambahoka TIM. Tamim-pirahalahiana tanteraka ny fihaonana omaly hariva, fihaonana izay mbola nanaporofo indray fa olona manana ny maha izy azy i Marc Ravalomanana sady olon’ny fifampiresahana. Etsy an-kilan’izay dia nanamafy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa fa mizotra tsara ny fanomanana rehetra amin’ny hetsika kasain’ny TIM hatao ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy ho avy izao. Hiantohana ny fitandroana ny filaminana ao anatiny fa mba miantso ny Emmo reg kosa izahay hitandro ny filaminana ety ivelan’ny kianja, hoy izy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT