63 taona omaly no nanamarihana ny 29 martsa 47. Vanin’andro goavana tokoa teo amin’ny tantaran’ny firenena Malagasy, niadiana izany Fahaleovantena izany. Niara-nahatsiaro io vanim-potoana lehibe io ny filoha Ravalomanana.
Nisongadina tamin’ny lahateniny ny karazana jery todika momba ny zava-nisy teto an-tanindrazana tato anatin’ny herintaona satria dia nitotongana fiainan’ny firenena. Manoloana izany dia niantso ho amin’ny fifamelan-keloka, ny fiantsoana ny tafika sy ny mpitandro ny filaminana handray andraikitra ny tenany. Toy izao àry ny vontoatin’izany lahatenin’i Marc Ravalomanana izany :
“ Miarahaba manokana ihany koa ireo Bekotro maroholatra, akanga sisa nanamborana, tapa-porohana sisa tsy may. Mankasitraka sy midera ny herimpo ary ny fitiavan-tanindrazana nasehonareo izahay. Aza matahotra, fa hijoro ho mendrika ny ohatra nasehonareo izahay, ary hijoro hatramin’ny farany.
Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,
Miray fo sy saina aminareo aho amin’izao andron’ny 29 Marsa izao, andro miavaka indrindra eo amin’ny tantaran’i Madagasikara.
29 Martsa, andro fahatsiarovana, andro fandinihan-tena ho an’ny mpitondra sy ho an’ny olom-pirenena tsirairay avy, andro handrefesana ny fitiavantsika marina ny Tanindrazantsika sy ny vahoaka malagasy, andro hanehoana ny fanapahan-kevitsika ho amin’ny hoavy.
29 Marsa 1947? Andro nanokatra ny fotoana nitondran’ny Malagasy tia tanindrazana faisana noho ny fiandrandrany ny hiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, namoizany ny fahalalahany, eny ny ainy, satria tsy misy antony hihariana fananana sy fahalalana, eny fahendrena aza, raha mbola vahoaka voazanaka sy voageja. Tsy nahazaka izany ireo razantsika maherifon’ny firenena, ka naleony nisotro ny aleoko maty.
Toy izany koa isika ankehitriny, 29 Martsa 2010.
Nitsidika antsika Andriamatoa Président Jacques Chirac tamin’ny taona 2005. Tamin’izany indrindra no nanambarany ampahibemaso, fa « inacceptable », na « tsy azo ekena » ny fomba namoretana ny fihetsehan’ny mahery fo, tia tanindrazana malagasy tamin’ny taona 1947, nanoherana ny mpanjanatany.
Efa ela ny fifandraisan’i Madagasikara sy Frantsa. Nampiraisin’ny tantara, ny kolontsaina, ny fiteny, ary ny soatoavina isika. Firenena miteny frantsay isika, ary reharehantsika ny maha firenena mahaleotena antsika ihany koa.
Maro ireo teratany Malagasy monina any Frantsa. Mitondra ny anjara birikiny eo amin’ny firaisan’ny fianakaviamben’ny firenena miteny frantsay izy ireo, na eo aza ny maha Malagasy azy manana kolontsaina hafa. Isika rehetra dia te hiaina araky ny soatoavina repoblikana lehibe fonoson’ny teny hoe : Liberté, égalité, fraternité, na fahafahana, fitoviana, firahalahiana.
Iaraha-mahita anefa ny manjo ny firenentsika ankehitriny. Voaosiosy ireo soatoavina ireo.
Tao anatin’ny 12 volana monja, dia niova tanteraka i Madagasikara noho ny nafitsoky ny fitondrana tsy ara-dalàna, nandromba-pahefana herintaona lasa izay. Ilay Firenena nandroso tsara, efa nanomboka niroborobo iny, nitsitongana lasa fanjakan’i Baroa, potika, rava tanteraka noho ny krizy ara-politika, krizy ekonomika, ary sosialy. Lasa tany tsy misy lalàna, hanjakan’ny hery famoretana sy ny fanenjehana ireo mijoro, mitaky ny ara-dalàna.
Nihena ny famokarana. Very tanteraka ny fifampatokisana, na teo amintsika samy Malagasy, na teo amin’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika. Lasa ny mpamatsy vola. Maro ireo orinasa nikatona, ana hetsiny ireo tsy an’asa.
Mafy ny fiantraikan’izany amin’ny fiarahamonina sy ny isan-tokantrano. Tena mahonena. Tena mahaontsa ny mahazo ny fianakaviana maro. Ao ireo zara raha misakafo, ary marobe ny ankizy tsy afa-mianatra, satria tsy manam-bola handoavana ny saram-pianarana intsony ny ray aman-dreny.
Rava sy potika tanteraka ireo ala voajanahary sy ny tontolo iainana, izay nimatimatesantsika niaraka tamin’ireo mpamatsy vola sy ny firenena sakaiza.
Niray feo izao tontolo izao, nanameloka ny fandrobaham-pahefana nataon’olom-bitsy mitam-piadiana. Izay no nahatonga ny Vondrona Afrikanina nampihatra sazy amin’ireo mpitondra tsy ara-dalàna ireo. Ny tanjona, dia ny hamerenana azy ireo, hanaja izay efa nifanekeny, ka nosoniavina tany Maputo sy tany Addis Abeba.
Voalaza tamin’izany, fa hiroso amin’ny fampihavanam-pirenena isika, na “réconciliation nationale”, ary hajoro ireo rafi-pitantanana isaky ny ambaratongany sy ny governemanta iraisana, izay hanomana fifidianana malalaka sy mangarahara, iarahana manatanteraka amin’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena.
Izany safidy malalaka izany no hany lalan-tokana ahafahan’ny Vahoaka Malagasy mamaritra marina ny hoaviny sy ny hoavin’ny Firenena, fa tsy ny fanaovana amboletra, hiroso irery amin’ny fanapahan-kevitra, ka hanao saritsarim-pifidianana akory.
Antenaina fa i Frantsa sy ny Vondrona Eropeanina, dia hiray hina amin’ny Vondrona Afrikanina, hampihatra ny sazy amin’ireo mpitondra tsy ara-dalàna ireo.
Izay ihany no ahafahana mampanaiky ireo mpitondra tsy ara-dalàna ireo hamela ny Vahaoka Malagasy hisafidy ny hoaviny, amin’ny alalan’ny fifidianana malalaka sy mangarahara.
Mandeha ny fotoana, ka arakaraky ny fahanginan’ireo mpitondra ao Paris sy ireo mpanapa-kevitra any Bruxelles no mampitarazoka ny fangirifirian’ny Vahoaka Malagasy, izay zara raha mahita hanin-ko hanina isan’andro.
Ny tantaran’ny fihetsiketsehana notarihan’ireo mahery fo tia tanindrazana tamin’ny taona 1947 dia mampiseho fa tsy maintsy tonga ny fahafahana, na eo aza ny herim-pamoretana sy ny fanenjehana.
Koa matoky an’i Frantsa isika. Tsy hangina foana eo akory izy, fa hiova ny fomba fijeriny. Ka samy hanaja sy handala ny fotokevitra fonosin’ireo teny hoe: “liberté, égalité, fraternité”, ary koa ny sata ijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara, dia ny “ tanindrazana, fahafahana, fandrosoana”.
Manana andraikitra lehibe amin’ny zava-misy aty Madagasikara koa i frantsa, indrindra fa ireo mpitondra. Noho izany, dia manantena aho, manantena isika, fa hiray hina amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Président Nicolas Sarkozy amin’ny fampiharana ny sazy amin’ireo mpitondra tsy ara-dalàna ireo, na koa handray anjara mivantana amin’ny fanerena azy ireo, hanaja izay efa nekena sy nosoniaviny tany Maputo sy tany Addis Abeba, ka hanjaka eto Madagasikara indray ny soatoavina demokratika.
Mitodika manokana amin’ny Foloalindahy sy ireo mpitandro filaminana aho.
Tompon’andraikitra voalohany amin’izao zava-misy izao ny Foloalindahy sy ny mpitandro filaminana rehetra. Tsy afa-miala isika, satria tsy diso ny teny faneva atao hoe: “Ho an’ny Tanindrazana”. Tandroka aron’ny vozona, ary kitro ifaharan’ny Firenena isika. Koa raiso ny andraikitra ! Sahia !
Tsy misy tsy diso akory raha mbola eto an-tany. Ary ny mahatsiaro tena no afaka mandinika, sy mifamela. Ka tonga ny fotoana hirosoantsika amin’izany fifamelana izany, izany fifankatiavana izany, fandrindram-pihavanana, ahafahana miroso amin’ny fanarenana marina ity Firenena malalantsika ity. Samy tompon’andraikitra isika mianankavy.
Ry Malagasy, Mpiray tanindrazana,
29 martsa 2010 ? Andro ahafahantsika mandinika sy mamakafaka ny zava-misy, ary andro ahafahantsika mandray fanapahan-kevitra. Amin’ny kihon-dalana anankiray lehibe isika ankehitriny, koa alao hery ary, ry vahoaka malagasy. Alao hery ary, samy tia tanindrazana isika. Ny fifamelana no zava-dehibe, koa miandry anao ny firenena. Miandry anao ireo taranaka ho avy. Manatrika anao ireo iray mahery fo…
Aza mandraraka ilo mby an-doha, fa isika izao no hoavin’ny Firenena. Mijery antsika izao tontolo izao. Miandrandra antsika ny firenen-drehetra eran-tany, noho ny fahendrena izay ananantsika Malagasy, noho ny soatoavina ananantsika.
“Mitsangana ry tanora, mitsangana ka aza manana ahiahy,
‘zao no andro sady ora, mijoroa, sahia tokoa ho lehilahy!
Sahia ho tena vehivavy!”
Homba antsika mandrakariva anie, Andriamanitra! »
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.