Politique

Ravalomanana - Joyandet Tsy nety tanteraka ny fihaonana


  • Alarobia 07 Aprily 2010

Tsy raikitra hatramin’ny farany ny fihaonana teo amin’ilay iraka frantsay Alain Joyandet sy ny filoha Marc Ravalomanana.

Araka ny vaovao voaray avy any Afrika Atsimo anefa dia tena nanam-pikasana ny hihaona taminy mihitsy ity sekreteram-panjakana frantsay misahana ny fiaraha-miasa sy ny frankofonia ity. Efa tonga tao Johannesburg mihitsy ny alakamisy 1 aprily teo, araka ny vaovao voaray avy any an-toerana i Alain Joyandet saingy tsy tafahaona tamin’i Marc Ravalomanana. Ity farany moa dia efa nanambara mazava tsara tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety ny faran’ny herinandro teo, fa tsy mandà velively ny fihaonana sy ny fifampiresahana hamahana ny krizy izy, saingy tsy mivaona amin’ny satan’i Maputo ny adihevitra ao ary tsy maintsy ireo filohan’ny ankolafy efatra no miaraka mivory, fa tsy misy izany mivory mitsitokotoko na mitokana izany. Amin’izay mangarahara avokoa ny zavatra rehetra ary tsy misy ny ifampiahiahiana, sy ny hoe izatsy sy izaroa mpinamana na mifanampy. Tao anatin’ny tetiky ny Frantsay tamin’iny dia maika sy tampoka ny handresy lahatra ny ankolafy telo hafa mba hanaiky hiara-hiasa amin’ny ankolafy Rajoelina ka hanampy olona hiditra ao amin’ny CENI, dia hanolotra anaran’olona asisika ao amin’ny governemanta dia hiroso haingana amin’ny fifidianana ny volana jolay. Saingy mijanona ho filoha i Andry Rajoelina ary maro an’isa ao anatin’ny tetezamita ny ekipany. Samy tsy misy manaiky izany ny ankolafy Ratsiraka, Ravalomanana ary Zafy Albert ankoatr’ireo olona sasany mety hamadika palitao ka hisoloky ny anaran’ireo ankolafy ireo indray mba hidirana ao ahazoana seza. Midika izany fa nandamoka indray ny tetiky ny Frantsay ary mbola sarotra aloha, hatreto ny hanilika tanteraka ny ankolafy Ravalomanana, na dia efa izany aza ny fanirian’ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita sy ny Frantsay mpanohana azy. I Marc Ravalomanana rahateo moa, mbola manana ny heriny raha eo amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany, ary mbola tena to teny eo amin’ny ankamaroan’ireo Fikambanana iraisam-pirenena.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT