Politique

Ravalo sy Rajoelina Hopotehin’ny HVM ?


  • Sabotsy 18 Febroary 2017

Tsy nitohy intsony ny resaka momba ny fampihavanam-pirenena, izay mbola misy endrika fanilihana ny hafa sy fanomezana tombondahiny ny mpitondra am-perinasa,

 

 toy ny fananganana ilay fitsarana manokana momba ny heloka ara-toekarena sy ara-ketra teo anelanelan’ny 2002-2012, izay voalaza fa hamotehana an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina izay samy mpandraharaha, ary efa samy nanambara ny firotsahan-kofidiany ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018. Misoko miadana ny kajy maloto hafa ataon’ny HVM hoenti-manamafy ny sakana. Mandeha ny serasera. Nahagaga sy nahatalanjona ny tenin’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fitokanana paositra teny Sabotsy Namehana, andro vitsy lasa izay, fa manana ny fiandrianany i Madagasikara, ka tsy ny avy any ivelany no mibaiko eto. Toa namaly bontana ny vondrona iraisam-pirenena manoloana ny tenin’izy ireo amin’ny tsy tokony hisakanana na iza na iza ny filoha, fa tsy midika ho fitiavan-tanindrazana sy ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena velively ny teniny. Mailaka ery ny fitondrana misolelaka sy mangata-bola ary manaraka izay baikon’ny vahiny. Aiza ilay hoe isika no mandidy sy manapaka ary manana ny fiandrianany i Madagasikara ?  

 

Hosomparana sy hopotehina ?

 

Mivoaka ny vaovao fa hopotehina amin’ny lafiny rehetra i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana raha minia misisika hirotsaka. Anisan’ny ho lasibatra amin’ny lafiny maro ny orinasa Tiko sy ny Injet. Efa nitsapa ny halalin’ny rano tamin’ny filazana fa tsy misy mahasakana azy tsy hirotsaka i Andry Rajoelina, ary i Marc Ravalomanana dia efa namerimberina fa kandida amin’ny 2018. Tokony ho afaka milatsaka hofidiana avokoa ireo mpitarika politika mazoto sy vonona. Mariky ny fifandeferana sy ny fampihavanana ny fifidianana ka ny vahoaka no avela hisafidy sy hitsara dia mazava tsara ny resaka avy eo. Efa tena mazava fa hitarika korontana sy krizy vaovao indray ny fanilihana an’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana manaraka eo koa asakasaky ny mpitondra milaza fa mitady fitoniana sisa e !

 

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT