Politique

Ravalo sy ny TIM Norahonan’i Rivo Rakotovao


  • Talata 25 Jolay 2017

Tahaka ny efa tsinjo sahady ny valin-teny hasetrin’ny prefektiora ny fangatahan’ny antoko Tiako I Madagasikara hankalazana ny faha-15 taonany eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy 29 jolay ho avy izao.

 

 Mahitsy sady mazava mantsy ny tenin’ny filoha nasionalin’ny HVM Rivo Rakotovao omaly, hoy indrindra izy : “tsy tokony hisisika hanao hetsika ao amin’ny kianjan’i Mahamasina ny TIM, satria na ny HVM aza nisy fotoana nangataka dia tsy nahazo ny toerana noeritreretiny hampiasaina…”Fanohiazana sy fanamafisana ny fanenjehana atao an-dRavalomanana sy ny TIM isan’andro vaky izao nanomboka tamin’ny 8 jolay ny fahitana io fanambaran’ny lehiben’ny HVM io ary efa azo heverina fa mifanakaiky amin’ny zavatra hambaran’ny prefektiora atsy ho atsy. Efa tsy miafina intsony ankehitriny ny antsojay amin’ny fomba rehetra atao amin’i Marc Ravalomanana sy ny TIM, tsy lazaina eto ny herisetra mahazo ny Ben’ny tanàna TIM sasany, izay nisy namoy ny ainy mihitsy moa. Aty amin’ny sehatra politika dia io efa tazana fa miainga io ny don-tandroka hoe : “raha vao mihetsika eo ianareo, dia ho avy izahay amin’ny herim-pamoretana”. Hatreto aloha dia ho sarotra ho an’ny TIM ihany ny hiditra malalaka ao amin’ny kianjan’i Mahamasina fa dia ahita izao “bla bla” isan-karazany izao indray ny prefektiora sy ny mpitandro ny filaminana, hanohana azy ireo ny mersenera politika ka hilaza fa tsy fotoana fanaovana fihetsiketsehana izao na koa hoe misy fanampim-baovao voaray fa misy andian’olona mety hanakorontana ka noho izany dia raràna ny fivorivoriana na fanaovana diabe. Resaka efa manomboka mivoaka etsy sy eroa  ihany koa ny hoe efa am-piketrehana ny fomba hanakanana ny filatsahan-kofidian’i Marc Ravalomanana amin’ny fomba rehetra izao fitondrana HVM izao, izay mahafantatra tsara fa mbola sarotra ny mandresy an’i Dadavalo amin’ny 2018 raha afaka milatsaka an-kalalahana eo izy. An-kilan’izay anefa tsy hanaiky mora foana ihany koa ny Tiako I Madagasikara ary efa mazava ny tenin’i Marc Ravalomanana hoe : “ aza mba izaho no ampitahorina fa tsy mandaitra aty amiko izany”.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT