Politique

Ratsirakista Manomana ny fiverenan’i Deba


  • Alatsinainy 18 Jolay 2011

Hiverina an-tanindrazana tsy ho ela ny amiraly Didier Ratsiraka rehefa nanao sesitany ny tenany nandritra ny sivy taona ngarangidina.

 Efa nilaza ampahibemaso fa tsy sakana amin’ny fodiany ny FAT, na dia namoaka NOTAM tsy mamela azy hiditra eto aza tamin’ny 25 febroary 2011. Ny fehin-kevitra navoakan’ny SADC rahateo koa, na tsy nanisy andininy manokana mikasika azy aza tao amin’ilay fehin-kevitra noraisiny na tany Windhoek (Namibia), na Gaborone (Botswana) na tao Sandton (Afrika Atsimo) farany teo dia mametraka faobe azy ao anatin’ireo sesitany politika hahazo hiverina an-tanindrazana tsy misy fepetra.

Manomana fatratra io fiverenan’i Deba io ny Arema Ratsirakista. Nanamafy i Herivelona Ramanantsoa, fa hanamafy sy hampahafantatra ny andro hiverenany ny amiraly dimy andro mialoha ny higadonany eto. Fantatra koa fa dia hisy fivorian’ny Arema, hotarihin’i Tantely Andrianarivo eny Andoharanofotsy eny amin’ny sabotsy 23 jolay ho avy io, tafiditra amin’ny fanomanana io fiverenan’ny filoha mpamorona ny antoko io. Etsy andaniny dia re koa fa efa an-dalam-panarenana ny tranony any Ambodiatafana, Toamasina II.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT