Tafaresaka fohy tamin’ny mpanao gazety teto Antananarivo omaly ny filoha lefitry AV 7 na ny « Association des victimes du 7 février 2009 », Jean-Paul Ratsimbazafy na Tsimirehadava.
Nambarany fa manjavozavo tanteraka ankehitriny ny fampiharana an’ilay didim-panjakana navoakan’ny filohan’ny Repoblika Malagasy, Hery Rajaonarimampianina, ny hampiditra ho mpiasam-panjakana an’ireo niharam-boina tamin’ny raharaha 7 feborary 2009. Nambarany fa misy ampahana rafi-panjakana vitsivitsy izay tsy manaiky ny hampiasa ireo mpikambana AV 7 halefa any amin’izy ireo. Mba hialana amin’izay mety ho vesatry ny kitapombolam-panjakana amin’ny fanoloram-potsiny fanampiana ho azy ireo sy mba ho fiarovana azy ireo dia rariny raha mba miasa ho an’ny firenena izy ireo. Mila hovana koa, hoy ity filoha lefitry ny AV 7 ity, ny fepetra navoaka miaraka amin’io didy navoakan’ny filoham-pirenena io izay milaza fa isaky ny 5 taona ihany fa azo havaozina ny fifanarahana tokony hataon’ireo mpikambana AV 7 horaisina ho mpiasam-panjakana. Manoloana ny zava-misy dia manainga ireo namana mpitolona AV 7 fototry ny fananganana izao Repobika faha-4 izao, ity filoha lefiny ity, mba hiray hina ka hanambatra ny herin’izy ireo mba hampanjary an’i Madagasikara ho firenena matanjaka sy mahaleotena tanteraka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.