Politique

Rasolofo René Efa Repoblika faha-6 no idirantsika izao !


  • Alarobia 11 Aogositra 2010

Tsy tokony hohamaivanina mihitsy ny zava-nitranga sy ny zava-mitranga eto amin’ny firenena, hoy ny mpikambana FAT, Rasolofo René, ary mila dinihina tsara fa tsy atao maimaika ny famahana ny krizy.

Aminy dia lalàmpanorenana mifanaraka amin’ny Malagasy sy i Madagasikara no tokony hapetraka manomboka izao ary ny fandrafetana an’izany no tokony himasoan’ny rehetra fa tsy handany andro hiady hevitra amin’ny fomba hitantanana ny tetezamita. Aoka izay ny savorovoro sy fifanonganana, hoy ihany ity mpikambana ao amin’ny FAT ity, fa rafitra marin-toerana sy afaka miatrika ny fiovaovan’ny vanim-potoana no tokony hapetraka. Araka ny nambarany dia efa Repoblika faha-6 no idirantsiaka amin’izao fotoana, raha isaina ny fiovana rehetra nisy nanomboka tamin’ny nahazoana ny fahaleovantena. Ny Repoblika voalohany dia notantanan’ny filoha Tsiranana, niditra tamin’ny Repoblika faharoa avy eo izay notarihan’i Didier Ratsiraka. Nijoro kosa ny Repoblika rahatelo notantanan’ny Pr Zafy Albert taorian’ny hetsi-bahoaka tamin’ny 1991 ka ny «régime parlementaire» indray no nalaza tamin’izany. Efa Repoblika fahefatra kosa no niainana teto, tamin’ny fiverenan’ny amiraly Ratsiraka tamin’ny 1997, io ilay «République humaniste et écologique» sy ny fametrahana ny faritany mizakatena. Raikitra indray ny hetsi-bahoaka tamin’ny 2002 ary dia efa niova indray ny rafitra niainan’ny firenena satria nametraka ny faritra 22 ny filoha Ravalomanana, izay no Repoblika fahadimy.

Raha ny tokony ho izy izany, araka ny fahitan-dRasolofo René azy dia Repoblika fahenina no idirantsika ato ho ato. Tsy mora ny mametraka ny fanovana fa tena mila fandinihana tsara, araka ny nambaran’ity mpanao politika ity, mba tsy hiverenan’ny olana isaky ny mihetsika. Eo amin’ny lafiny ara-toekarena kosa indray, dia nambaran’ity mpikambana ao amin’ny FAT ity fa afaka miala amin’ny fiankinan-doha amin’ny mpamatsy vola avy any ivelany isika, raha toa ka haintsika tsara ny mitrandraka sy manodina ny harena misy eto amin’ity Madagasikara ity. Hananantsika mantsy ny harena ankibon’ny tany sy ny harena an-dranomasina, izay tena hahazoana vola be tokoa, araka ny nambaray ihany. Ny olana amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany, araka ny nambaran-dRasolofo René, dia lany amin’ny “étude” sy ny “consultance” fotsiny ny ampahany betsaka amin’ny vola, ary mbola resaka hafa ny fandoavana ny trosa, any aoriana noho ny tahan’ny zana-bola apetrak’ireo mpampindrana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT