Politique

Rasoaniaina Malalatiana Tsy mila politika tanalahy ny vahoaka


  • Alatsinainy 04 Jolay 2011


 Henatra ho an’i Andry Rajoelina sy ny FAT iny fanamafisan’ny Amerikanina ny fanambarany iny, hoy Rasoaniaina Malalatiana, mpitarika ny vehivavy MFM teny amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 2 jolay teo. “Tatitra sy tsikera ireny ary izay angamba no tsy nahateo any i Chataigner”, hoy izy “satria izy fantatra fa manohana ny FAT”. “Manakatona varavarana amin’ny iraisam-pirenena no ataon-dry zareo», hoy ihany izy. Mbola nanamarika ity mpitari-tolona ity hoe : “Ahoana tokoa moa no ahitana iray andro mialoha ny baomba sy ny olona miketrika azy ? Ity anefa ny «bois de rose», efa ho telo taona, tsy mbola hita na ny anaran’ny olona mpanao trafika aza fa olona madinika no alefa am-ponja”. Nanitrikitrika Rtoa Malalatiana fa “tsy mila politika tanalahy ny vahoaka, indrindra fa amin’ny fifidianana”.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT