Politique

Rasoaniaina Malalatiana “Tsarao toa an’i Bob Denard !”


  • Talata 12 Jolay 2011

Voaporofo tamin’ny fanambaran’ny jeneraly Raoelina, nialoha sy nandritry ny fitsarana ny “raharaha 7 febroary” fa nisy teratany vahiny nanome tanana tamin’ny fanatanterahana iny “sabotsy mena” iny handotoana ny filoha Marc Ravalomanana.

 Araka ny fanazavan-dRtoa Rasoaniaina Malalatiana dia nanatontosa iraka toy izay nataon’i Bob Denard tatsy amin’ny nosy Kaomôro, nanonganana ny fanjakana tany an-toerana io teratany vahiny io. Ny ampahany tamin’ireo niara-niasa akaiky tamin’ny filoha teo aloha dia voafehin’ity teratany vahiny ity avokoa, araka ny fanazavana ihany. Manoloana ireo rehetra ireo dia mihevitra ny hampakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana iraisam-pirenena, ny TPI ireo Legalista. Tokony hoentina ohatra ny nitondrana ny raharahan’i Bob Denard, hoy ihany ny mpitondra teny Rasoaniaina Malalatiana, ny zavatra nataon’io teratany vahiny io teto Madagasikara. Etsy andanin’izany, momba ny resaka fifidianana izay mahamaika ny FAT dia ambaran-dRasoaniaina Malalatiana fa “fandrebirebena saim-bahoaka fotsiny izany”. Tsy vitan’izany fa tsy ho vita mora ny fanomanana fifidianana. Ankoatra izay da novakian’ity vehivavy mpitolona, manohana ny ara-dalàna ity bantsilana fa milaza hanao fifidianana ny FAT kanefa, hoy izy dia mbola mitohy hatrany ny fanenjikenjehana sy ny fampitahorana ary fampisamborana. Vokatr’izany rehetra izany dia tsy hisy hankato izay ho valim-pifidianana eo. Tsy misy vahaolana raha tsy ny fifampiresahana eo amin’ireo samy mpanao politika ihany, hoy ihany Rasoaniaina Malalatiana ka tokony hanomboka amin’ny fampihaonana ny Cnosc sy ny FFKM. Efa eken’ny sehatra iraisam-pirenena rahateo ny asan’ny Cnosc.

 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT