Politique

Rasoamiaramanana Goddefrin “Fotoana tokony hieritreretan’ny tsirairay izao”


  • Talata 22 Jona 2010

Fotoana tokony hieritreretan’ny isam-batan’olona, indrindra ny Malagasy ny fahatongavan’ny fetin’ny 26 jona tahaka izao, hoy Rasoamiaramanana Goddefrin, Ben’ny tanŕnan’Ivato Aéroport.

Laharam-pahamehana ao anatin’izany, hoy izy ny fanaovana jery todika ny fiainam-pirenena toy ny hoe : aiza ho aiza isika izao ? Nomena fahafahana ny rehetra tao anatin’ny 50 taona katroka, ahoana no fomba nampiasana izany ?... Ho an’ity Ben’ny tanàna ity mantsy dia tsy mbola afa-po amin’ny zava-bita sy ny zava-misy eto amin’ny firenena izy. Mandroso indray mandingana ny firenena, hoy izy saingy mihemotra in-droa mandingana kosa. Tsy midika ho fandrosoana velively, hoy ihany ity Ben’ny tanàna ity, ny 50 taona nahazoana ny fahaleovantena, indrindra raha tsy hijery afa tsy ny toekarena sy ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina isika.

Mitontongana hatrany ireto farany, hoy izy nanohy ny teniny ka tokony hojeren’ny mpitondra maika izay fomba hoenti-manarina izany. Ho an’ny kaominina Ivato Aéroport manokana dia fanaovana tomban’ezaka ny zava-bita no hanamarihan’ny Ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy ny fetin’ny 26 jona amin’ity indray mitoraka ity. Ho elanelanin’ny fanaovana tatitra amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny kabary izany arahin’ny vina handaminana ny asa ao anatin’ny herintaona ho avy. Tsiahivina fa maromaro ihany ny zava-bita teo anivon’ity kaominina ity tao anatin’izay roa taona sy tapany nitondran’ny Ben’ny tanàna Rasoamiaramanana ny tanàna izay. Anisan’izany ny fanatsarana ny fotodrafitrasa toy ny lycée sy ny Epp, ny asa fanarenana ny Ceg, ny fanamboarana ny Csb II vaovao… Ankoatra ireo dia hanomboka tsy ho ela koa ny asa fanamboarana ilay tsena lehibe vaovao sy manara-penitra misy rihina. 

Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT