Politique

Rasamimaka Mahefalahy «Tsy vitan’ny fidedahana ny fitantanana ny tanŕna”


  • Talata 19 Oktobra 2010

Nisarika ny sain’ny mpanara-baovao maro i Toamasina tato ho ato izay. Miala grevy mantsy ny tao an-toerana dia miditra grevy. Ny fampielezan-kevitra andanin’izay, mandeha tsy mandeha, ny takelaka no mba miteny nefa tsy mahasarika mpijery. Vokatra ireo toe-draharaha ireo dia nisy ny resaka nifanaovanay tamin’ny Atoa Rasamimaka Mahefalahy.

Tia Tanindrazana (TT): Efa roa herinandro izay ny fampielezan-kevitra, tsy mbola hita ihany ny tena marina, mangina ny tanàna ; ianareo koa tsy hita an-tsehatra. Inona no antony ?Rasamimaka Mahefalahy (Mahefa) : Roa herinandro tokoa izay no lasa amin’ity hoe fampielezan-kevitra ity. Tena misy ve anefa izany ? Ny tena olana eto dia natao ankamehana ny fanomanana azy ity, taitra ho azy teo dia nanao ny tsy fanao. Raha ireo olona miresaka sy mba mifanakalo hevitra amiko dia samy milaza avokoa fa tsy mahalala izany fitsapan-kevi-bahoaka ho avy izany. Ilay lalàmpanorenana lazaina hofidiana koa 99%-n’ny mpifidy tsy mahalala azy akory hatramin’izao. Amiko dia teren-ko masaka toa voalobo-jaza ny fifidianana, ka inona no handeha eo tsy vao mainka aza krizy vaovao no hitranga ato ho ato. 

TT : Naneho ny hatezerany ny mpitarika posy, nisy mpanararaotra koa nandrava fananan’olona nandritra izay, lasa ny distrika no nandray an-tanana ny raharaha fa tsy hita ny PDS. Midika inona aminao  ireny zava-nisy ireny ?
Mahefa : Tsy vitan’ny fidedahana sy resabe etsy sy eroa ny fitantanana tanàna. Amiko dia midika tsy fahaiza-mitantanana ny raharaha sy fanaovana tsinontsinona ny sosialim-bahoaka izay efa sempotry ny krizy sy niharan’ny krizy nataon’izy ireo ihany ireny. Tsy tokony ho olana be tahaka izao ny resaka posy ity, fa ny tsindrio fa lavo sy kolikoly ataon’ny mpiasa ary tsy fisian’ny fitohizam-pitantanana no olana. Amiko dia resaka tsotra ity raharaha na posy ity. Jereo, inona ny olana ? Inona no antony nampitombo ireo posy miasa ? Inona no hanampiana azy ireo hanatsarana ny fifamoivoizana sy fampidiram-bolan’ny kaominina ?
 
TT : Nitsangana ny CED sy ny CER. Raha ny lalàna dia misy ny anjara toeran'ny mpanohitra ny fitondrana ao anatiny. Toa tsy hita tao ianareo Ankolafy Ravalomanana sy ny mpikambana ny Ankolafy Telo, inona no antony ?
Mahefa : Raha ny marina dia tsy nampahalalana ny fisian'ny fitsanganan'izany izahay. Raha misy ny tena finiavana ho an'ireo CENI nanangana izany, dia tokony ho nisy ny fanasana sy fampiantsoana malalaka sy ankitsim-po, nefa tsy nisy izany na fantatr’ireo olona ireo tsara na ny misy anay sy ny momba anay. Faharoa, tsy te hiditra amin'io koa izahay na nantsoina aza, satria hevitra olona tokana io, ka tsy mifanaraka amin'ny hevitra ijoroanay izay handraisan'ny daholobe ny raharaham-pirenena. Ny fidiranay ao anatin'ny CER sy ny CED ihany koa dia midika fa mankato ny fanonganam-panjakana tsy eken'izao tontolo izao sy ny vahoaka malagasy izahay.
 
TT : Inona ary ny fehin-teninao Atoa Rasamimaka Mahefalahy ?
Mahefa: Tsy vitan’ny resaka basy maro vava hampitahorana vahoaka lava, tsy vitan'ny fanomezana vava ratsy ny mpanohitra sy ireo manakiana ny zava-misy, tsy resaka mafy be sy malemy ary tsy vitan'ny jadona sy ny tsy refesi-mandidy ny fitantanana sy fanalana ny firenena ao anatin'ny krizy lalina izao. Raha mbola mitohy izao, dia ho mafy noho izay tamin'ny taona lasa izay ny hetsi-bahoaka eto. Ho an'ny vahoaka kosa, aza mora taitry ny rendrarendra sy ny kobaka am-bava misy ankehitriny, fa diniho ny hoavy ary halalino ny zava-misy sao taitra ho azy eo ka hamarina an-kady ny firenena sy ny vahoaka ao aminy. Ho an'ireo mpanao politika mpivadi-palitao sy mpiady seza fotsiny, raha fitadiavana sakafo no hanaovana izany tsy hampaninona, fa raha famadihana ny tolona niraisana sy hamadihana tanindrazana ho latsaka an-davaka, tsy azo ekena kosa, ka tokony hisaina ireo mpanao politika tanalahy ireo fa izay no mahatonga ny vahoaka hilaza fa leo politika sy ny mpanao politika.
 
Nangonin’i RTT sy Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT