Politique

Rasamimaka Mahefalahy : «Misy faly amin’ny fahoriam-bahoaka»


  • Zoma 26 Febroary 2010

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena sy ny mpanao politika taorian’ny fehin-kevitry navoakan’ny filankevitry ny filaminana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny Firaisambe Afrikanina (CPS) ny zoma 19 febroary lasa teo, ka nanomezany fe-potoana hatramin’ny 16 martsa 2010 ny ankolafy Rajoelina hiverenany an-databatra boribory hampihatra ny satan’i Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba.

 

Ho an-dRasamimaka Mahefalahy, mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana sy mpitarika ny legasista ao Toamasina ary filoha mpiara-mitantanana ny ankolafy Madagasikara Toamasina ihany koa, dia tsotra ny azy “tsy misy fomba entina hanavotana an’i Madagasikara sy ny vahoaka ao aminy amin’izao krizy iainana isan’andro izao, afa-tsy ny fanarahana ny fifanarahana efa nifaovana sonia teo imason’ireo vondrona iraisam-pirenena ihany. Ny fialana amin’izany dia midika fa misy faly amin’ny fahorian’ny vahoaka ny mpitondra ankehitriny…”. Na izany aza dia manao fanamarihana ny Me Rasamimaka fa “tsy mazava tsara ilay daty 16 martsa nofaritan’ny Groupe International de Contact Madagasikara (GIC-M). Fotoana farany hanapahan’ny ankolafy Rajoelina ny fiverenan-dalany ve izy io, sa daty farany tsy maintsy hananganana ny governemantan’ny firaisam-pirenena ?”. Nambarany fa mety mbola hitarazoka izao raharaha eto amintsika izao, raha tsy misy ny fepetra sy soridalana mazava amin’ny zavatra tokony hatao mandritra ity fe-potoana nomen’ny GIC-M hampiharana iny fifanarahana Addis Abeba sy Maputo iny. Ho an-dRasamimaka Mahefalahy dia “tsy ny fanasaziana loatra no tena maha-maika, fa ny fanerena ny ankolafy miziriziry tsy hametraka ilay governemanta hiarahana, hamoahana haingana ny firenena anaty fahantrana ka hirosoana amin’ny fifidianana malaka hidirana amin’ny Repoblika faha-04”. Nanamafy ny mpitarika ny legasista ao Toamasina fa «tokana ary tsy nivaona tamin’ny heviny entina hamahana ny krizy ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Madagasikara ankehitriny : ampiharo ny satan’i Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba, fa izay ihany no lalan-tokana hivahan’ny olana sy haneken’izao tontolo izao ny fitondrana misy eto Madagasikara”. Koa raha ampiharina ny sazy ho ireo sakana amin’ny tsy hahavitana izany, dia tokony atao haingana fa mitarazoka ny olana sedrain’ny vahoaka, ary latsaka anaty hantsana ny firenena.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT