Politique

Rasamimaka Mahefalahy «Lany foana ny vola. Aiza ireo fifanarahana efa vita sonia no tsy ampiharina?”


  • Alakamisy 29 Jolay 2010

Manomboka anio 29 jolay ary hifarana ny sabotsy maraina 31 jolay, ny Dinika Santatra ho an’ny distrikan’i Toamasina I. 300 hatramin’ny 400 ny olona andrasana hamoaka ny heviny fa tsy hidinika sy hiady hevitra araka ny lahadinika efa napetraka mialoha.

 

Raha ireo nisoratra anarana sy nandray ny fanasany teny amin’ny birao naorina maimaika eo akaikin’ny gara Manguier, dia fikambanam-pokontany sy fikambanam-pihaviana ary fikambanana tsy re tsaika no maro handray anjara, ireo antoko na fikambanana politika goavana kosa tsy re loatra na handray anjara na tsia. Ny efa mazava aloha dia ny TIM sy ny ankolafy Ravalomanana ary ny antoko politika mivondrona eo anivon’ny ankolafy Madagasikara dia tsy misy handray anjara amin’ity Dinika Santatra ity. Nisy ny dinidinika nifanaovana tamin’ny Maître Rasamimaka Mahefalahy, mpandrindra ny ankolafy Ravalomanana Toamasina, manodidina azy ity, araka izao manaraka izao.
 
Tia Tanindrazana (T.T) : Nantsoina sa nasaina amin’ity Dinika Santatra ity ny TIM sy ny ankolafy Ravalomanana ary ny ankolafy Madagasikara misy anareo ?
Rasamimaka Mahefalahy (Maître Mahefa) : Sady tsy nampahalala no tsy nantsoina ary tsy nasaina izahay hanatrika ity Dinika Santatra eto Toamasina io. Hatramin’izao tsy mahalala izay mpikarakara sy ny mpanomana azy izahay. Aoka anefa hotsorina, na iza sahy hilaza na iza sahy hanatsatso anay dia mbola antoko politika matanjaka eto Madagasikara ny TIM matoa atahorana sy henjehina. Mbola manana ny toerany ny ankolafy Ravalomanana matoa mbola misy ny didy jadona sy antsojay atao aminy ary tsy adino fa matoa samborina sy ampihorohoroina ny mpikambana eo anivon’ny ankolafy Madagasikara dia mbola matanjaka lavitra noho ny hafa ihany koa.
 
T.T : Handray anjara ihany ve izany ianareo na tsy nantsoina sy tsy nahazo fanasana aza ?
Maître Mahefa : Raha lanonana na fampahafantarana no natao dia azo ekena izany fiantsoana tampotampoka izany. Dinika Santatra efa nomanina efa am-bolana, efa nisiana resabe teto amintsika, nahoana moa no tsy voaomana ka tampoka avokoa no anaovana ny hetsika sy ny fiantsoana ? Dinika no atao noho izany mila fifanakalozan-kevitra sy adihevitra goavana, fa raha izao no mitohy dia tahaka ny dinika sy fifanarahana efa vita sonia hatramin’izay no hisy, izay very anjavony anaty vata sarihana fotsiny. Raha aminay anatin’ny ankolafy misy ahy sy ny antoko politika itolomako, dia ny tian-kano tsy tian-kano ihany no hitranga ao, izay mahafalifaly ny FAT no hitranga ao. Maninona moa raha fantatra fa tsy ampy ny fotoana taorian’ireny adihevitra be momba ity fanomanana ny Dinika Santatra ity ireny, mba nahemotra kely nahafahana nametraka lahadinika nifanarahan’ny retar. Ny fiarahamonim-pirenena rahateo efa nanaiky niara-dia, ny antoko politika sasany efa nifanao dina ihany koa. Tsy ampy finiavana ny mpanomana ka ahiana hidofotra sy hitsefotra am-piandohana na eo am-pamaranana ity Dinika Santatra eto Toamasina io.
 
T.T: Hitsefotra sy handamoka ahoana moa ?
Maître Mahefa : Vao miainga anie izy ity dia efa disadisa e! Izao indray izay tiana sy izay mpiara-dia ihany no asaina. Maninona raha nozaraina isaky ny birao politikan’ny antoko sy fikambanana izany mba ho tena ara-dalàna ? Toamasina rahateo tsy hoe ngezabe dia manao ahoana no tsy hahavita izany. Ny faharoa, ny efa vita sonia sy efa nandaniana vola be teo aloha ireny aza sahin’ny fitondrana FAT ny nanda tsy hampihatra azy sy nanitrika azy any amin’ny fanariam-pako, ka izay ho tapaka eto indray ve ho misy dikany ahoana aminy ? Efa nazava rahateo ilay lahateny tany Mahajanga Ireny. Ary farany 5,8 tapitrisa ariary ve dia hahavita inona amin’ny dinika hanasana olona 300 mahery, amiko dia te haneho amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fitondrana FAT fa efa midinika ny samy mpanao politika, mandray an-tanana ny hoaviny ny samy Malagasy.
 
TT: Raha misy ary olonareo ireo tonga miatrika dia ahoana ?
Maître Mahefa : Amin’ny dinika iarahana amin’ny maro tahaka ity, dia mila fifampidinihana mialoha ihany koa eo amin’ny samy mpiara-dia sy mpiara-mitolona. Tsy ny rehetra mantsy no afaka hiatrika izany, ka izay solontena dia mitondra ny hevitra sy ny anaran’ny antokony na ny firehana politikany. Ka ho an’ireo mpikambana eo anivonay ho tonga hiatrika izany dia amin’ny anarany manokana fa tsy afaka hisolotena velively fa fanendren-tena helohin’ny fitsipika anatin’ny antoko sy ny ankolafy misy azy izany
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT