Efa nandrafitra kazana sori-dalana hamahana ny krizy eto Madagasikara ny fitondrana frantsay ary tamin’ny fahatongavan’i Alain Joyandet teto roa herinandro lasa izay no nampahafantarany an’izany i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT sy ireo izay tafahaona taminy.
Raha jerena indray mipi-maso dia manome vahana ny ankolafy Rajoelina io sori-dalana na drafitra io. Ho an-dRasamimaka Mahefalahy, mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina dia mbola tafiditra ao anatin’ny teti-dratsin’ny Frantsay hanjanahana antsika indray io, sy hampizarazarana ny Malagasy. Tahaka izao ny fanehoan-keviny raha tafaresaka taminay: «Nahoana moa ny Frantsay no nanolotra ny sori-dalana harahan’ny Malagasy ? Tsy nisy tsy nahare anefa ny vava nataon’ny mpitondra FAT fa mahavita tena ny Malagasy, tsy mila vazaha, tsy mila vahiny, tsy mila Afrikanina izany, hain’ny Malagasy ny mamaha ny olana ao aminy. Nahoana anefa izao ny Frantsay no mibaiko azy ireo dia hoe tsy atao sonia sy arahina ? Inona koa anefa ny toky entin’ny fitondrana FAT apetraka fa harahany izany raha vita sonia eo ? Niaraha-nahalala anefa ny zava-nisy taorian’ny Maputo in-droa miantoana sy ny tovana tany Addis Abeba fa notsipahany ary nataon’ny filohan’ny FAT tsinontsinona ny sonia natao sy ny fanaraha-mason’ny vondrona iraisam-pirenena. Raha amiko dia tetika te-hampiadiana ny samy Malagasy ity sori-dalana vaovao ity. Io ilay hoe zarazarao hanjakana, ka hisy tsy ho ela raha sanatria ka vita sonia izy io ny ho fandrangitana indray ny tanindrana fa ailiky ny merina ianareo. Raha ny zava-misy aloha dia efa fantatra fa tsy hiditra amin’io vela-pandrika io ny filoha Ravalomanana Marc ary nametraka hatrany izy fa raha tsy Maputo sy Addis Abeba sy mametraka ny fampihavanam-pirenena ary miaraka amin’ny ankolafy Ratsiraka sy Zafy, dia tsy ho tanteraka ny fihaonana».
Amin-dRasamimaka Mahefalahy dia ilaina ny fifampiresahana ary ampiharina izay nosoniavina fa tsy atao haingon-taratasy fotsiny. Milaza koa izy fa tsy tsara ny hanesorana na hanilihana ny ankolafy hafa amin’ny dinika hikatsahana ny vahaolana. Nanamafy aza izy, fa tokony hampidirina amin’ny fihaonana ka hanampy ireo ankolafy efatra ilay nantsoina hatrizay hoe : «autres sensibilités».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.