Tsy hanaiky mihitsy izahay raha mbola ny tanindrazanay no hanjakazanan’ny vahiny tsy amin’ny rariny ary mbola hanandevo anay, hoy ny CST Rasambozafy Cyrille tetsy amin’ny birao fiasany etsy amin’ny 67 ha raha nandray ny solontenan’ireo mpiara-monina aminy eny Andrefan’Ankadimbahoaka mbola miaina ao anatin’ny horohoron’ny fandravan-trano izy omaly.
Mbola mitohy foana hatramin’izao ny antsojay sy ramatahora ataon’ity teratany vahiny ity aminay mpiara-monina ao amin’ity Fokontany ity, hoy izy. Efa im-polo kely no naverimberina teny anivon’ny parlemanta, hoy Rasambozafy Cyrille, fa araka ny fanapahana tamin’ny filankevitry ny minisitra nivoaka ny 23 mey 2012 dia hatsahatra aloha nanomboka tamin’io daty io ny fandravana tranon’olona sy fandroahana mponina amin’ny tany honenany nefa dia izao mbola mitohy izao ihany ny ramatahora noho ny tsindry ataona vahiny amin’ny tompon’andraikitra sasantsasany.
Rehefa nihaona tamin’ny prefen’ny polisin’Antananarivo sy ny mpanolontsainan’ny PDS iray ny tenanako mikasika ity olan-tany mahazo anay mponina eny Andrefan’Ankadimbahoaka ka nahazo fampanantenana fa hisy ny fitondrana ity resaka ity eo anivon’ny “commission juridique” ao amin’ity Kaominina ity dia izao mandray an’ireo solontenan’ny Fokonolona eny aminay ireto. Niharan’ny fisamborana ny 2 tamin’izy ireo ny 16 janoary teo fa notorian’ilay Karana ho nangalatra tao aminy sy namono ary nandratra ny mpiasany ary hoe mbola nitarika olona hikomy koa.
Nomarihan’Ingahy Riri sy Rtoa Voahirana, ireo olona roa nosamborina ka nalaina am-bavany sy notanana teny amin’ny zandarimaria vao navotsotra izy ireo. Nisy manamboninahitra nijoro vavolombelona ny amin’ny tsy nahateto an-toerana an’ireo olona ireo tamin’izay andro nisehoan-javatra izany, hoy ny fanamarihana azo teny 67 ha ary ny CST Rasambozafy Cyrille aza izay “témoin à décharge” hanamarina fa tany Moramanga niatrika lanonam-panambadiana ilay voampanga tamin’io andro io dia tsy antsoin’ny zandarimaria mihitsy hatramin’izao. Mitaky ny hanohizana ny fanadihadiana an’ireo voampanga fa tsy hajanona an-dalana ireto mpiara-monina etsy Andrefan’Ankadimbahoaka ireto fa mampiahiahy ny mety hisian’ny firaisana tsikombakomba ratsy amin’ity raharaha ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.