“Raha nanendry an’i Manandafy Rakotonirina na i Botozaza Pierrot ho praiminisitra i Andry Rajoelina dia efa nivaha ny krizy toy izay”, hoy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita Rarison Hilarion.
Ny zava-misy amin’izao, hoy izy dia miady an-trano ny mpitondra. Raha nanaiky iny tenin-dRajoelina handinihina ny fifidianana solombavambahoaka iny i Omer Briziky, hoy ity mpanao politika ity dia izay taratasy izay no nentin’ny filohan’ny FAT tany New York handreseny lahatra ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana. Ankoatra izay dia nambarany fa hotazonina amin’ny teniny i Andry Rajoelina rehefa nilaza fa tokony havela hisafidy malalaka ny amn’izay olona tiany hitondra azy ny vahoaka Malagasy.
Hiova ny tantaran’i Madagasikara rehefa tonga eto Ravalomanana, hoy ihany Rarison Hilarion. Fanapahan-kevitra politika izany fodiany izany ary tsy mitovy intsony tamin’ny herin-dRajoelina tamin’ny 2009 ny heriny amin’izao. Ny filoha Ravalomanana, hoy ny solontenan’ny tanora Zafy Albert no tsara toerana indrindra amin’ny fifidianana. Nohamafisin’i Noginco fa maro an’isa ny vahoaka manohana an’i Marc Ravalomanana. Ankoatra izay dia fantatra fa hihidy ny kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy ho avy izao fa hifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona eny Andoharanofotsy ireo zanak’i Dada rehetra. Tsy ny antoko na fikambanana fa ny rehetra miandry sy matoky ny filoha Marc Ravalomanana no antsoina amin’io sabotsy io.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.