Mandeha ny resaka fa misy amin’ireo sendika milaza ho mijoro hiady amin’ny tokony hampanjakana ny tany tan-dalàna sy ny tokony hanohizana ny raharaha Claudine Razaimamonjy no efa mafana fo satria efa nandray volabe avy amin’ny fanjakana HVM.
Tsy atao mahagaga raha mbola mitohy hatrany ny fanaovana be marenina ataon’ny fanjakana satria misy amin’ireo milaza azy ho mitaky ny fampiharana ny lalàna no manao sarimihetsika fotsiny, ary mamono tsikelikely ny afo. Ny fahefana sy ny vola sisa no eo am-pelatanan’ny fanjakana HVM amin’izao fotoana izao fa raha fanohanana avy amin’ny vahoaka, dia efa tsy nisy hatry ny ela saingy mbola maro ireo manaiky hataony fitaovana. Noho izany dia tsy mahataitra ny mpitondra ankehitriny intsony ny fanenjehana sy ny kiana fa toy ny rano atobaka eny an-damosin’ny gisa satria misy ny vola hatao fitaovana hahazoana mpanohana, na dia ny rafitra sy herivelona maro eto amin’ny firenena aza no efa manome lamosina sy toa mijoro ho fahavalon’ny fitondram-panjakana noho ny laza ratsy efa tena mampiteny ny moana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.