Saika tazana foana nanotrona ireo fivoriam-panoherana nisy tato ho ato, ny minisitra teo aloha, Ranjivason Jean Théodore.
Nahatazanana ity olom-panjakana taloha ity, ohatra, teny amin’ny dinika ho fanavotam-pirenena natao tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo farany teo sy teny amin’ny antso ho fanavotam-pirenena teny amin’ny Live Hotel Andavamamba omaly. Ny mahagaga anefa dia tsy mety hanome ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena sy ny manodidina izany mihitsy ny tenany ary dia tsy nety niresaka ny antony nahatongavany teny Andavamamba omaly koa.
J.M
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.