Politique

Ranjivason Jean Théodore Tokony hiainga any amin’ny fokonolona ny famahana ny krizy


  • Alarobia 21 Jolay 2010

Fotoana efa hanapahan-kevitra mazava tsara amin’ny famahana ny krizy izao, hoy Ranjivason Jean Théodore, mpikambana FAT. Araka ny heviny dia mety ary tokony hotohanana ny ezaka ataon’ny Raiamandreny Mijoro sy ny fiarahamonim-pirenena, amin’ny fanatanterahana ny dinika santatra sy ny fikaonandoham-pirenena.

Araka ny fanazavany dia tokony hatao manaraka ny fahendrena tena Malagasy ny famahana ny krizy, ka rehefa tsy nahomby ny fihaonana sy fifanazavana teo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, izay eritreretina fa mpifanandrina fototra niavian’ny krizy ; ary rehefa nandamoka ihany koa ny fampifanatonana sy fanelanelanana nataoan’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny fanatanterahana ny fihaonana tany Maputo Addis Abeba ary Pretoria, dia tokony hiroso amin’ny fihainoana ny fokonolona, fototra iaingan’ny fiarahamonina Malagasy amin’izay isika. Ny ezaka ataon’ny fiarahamonim-pirenena amin’ny fakana ny hevitry ny rehetra any amin’ny distrika no ambaran-dRanjivason Jean Théodore fa mahasolotena ny hevitry ny fokonolona. Io no karazana ala nenina farany amin’ny famahana izao krizy izao, hoy ity mpikambana FAT ity ka tokony hiezaka mba hampanjary sy hahatontosa izany ny rehetra.

Misy, araka izany, ny fifandaminana matotra tsy maintsy atao, satria mahita ihany koa ity mpanao politika ity fa misy ihany ny karazana ady seza eo amin’ny samy fiarahamonim-pirenena. Samy te ho lohany izy ireo, hoy izy, ary tsy mahagaga izany satria vao mba tena afaka maneho hevitra sy mampiseho ny heriny ny fiarahamonim-pirenena eto amintsika, izay natao anjorom-bala foana hatrizay. Tokony hahita ny marimaritra iraisana haingana anefa ny fiarahamonim-pirenena, araka ny nambarany satria ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra. Ho an’ireo manakiana ny Raiamandreny Mijoro sy ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena kosa dia nambarany fa efa nisy ny antso mazava niantsoana ny rehetra tany am-boalohany, ka matoa tsy tafiditra ao, dia mety tsy te handray ajara mihitsy angamba. Tsy misy velively ny teritery fa dia afaka miasa an-kalalahana tsara ireo Raiamandreny Mijoro sy ny fiarahamonim-pirenena araka ny filazan-dRanjivason Jean Théodore azy ihany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT