Politique

Ranjivason Jean Théodore Ho kandida lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro ?


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2011

Tsy dia re feo loatra ny antoko Matsilo momba ny raharaham-pirenena. Araka ny fantatra dia manararaotra mitety faritra manomana ny fifidianana ho avy kosa ireo mpitarika ka mitsapa ny halalin’ny rano.

 . Namory vahoaka tao Moramanga ny filohany, Ranjivason Jean Théodore ny herinandro lasa iny niady hevitra tamin’ireo nasaina momba ny fahitan’ireto farany ny raharaham-pirenena. Ambetin-dresaky ny mpanatrika ny tsy fandehanan’ny raharaham-pirenena ankehitriny sy ny resaka fampihavanam-pirenena izay nambaran’izy ireo fa tokony hatao ho an’ny mpanao politika irery ihany satria milamina ny vahoaka. Amin’ny maha mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita azy dia nanazava ny lalàna dinihana sy efa tinapaka eny anivon’ny Antemiera koa ny tenany.

Momba ny fifidianana kosa dia nambaran-dRanjivason fa tokony hamoaka lalàna mandrara ny fizarana fanomezana ho an’ny mpifidy mialoha sy mandritra ny fifidianana satria tsy ahitana ny tena safidin’ny vahoaka izany ary manome tombony izay manana ny enti-manana. Azo itarafana sahady ny ho avy politika efa omaniny io famoriam-bahoaka nataony tao Moramanga io. Mety hilatsaka hofidiana lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro ny tenany ka izay no antony isehoany vahoaka dieny izao ao Mangoro satria mety mihevi-tena ho efa tsaratsara toerana ny tenany ao Alaotra izay fiaviany.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT