Politique

Ranjivason Jean Théodore Foto-kevitra roa lehibe no mifandona eto


  • Zoma 29 Oktobra 2010

Foto-kevitra roa lehibe no mifandona eto amin’ny firenena amin’izao fotoana ary hita taratra eny amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) ihany koa izany, hoy Ranjivason Jean Théodore, filohan’ny antoko Matsilo.

Eo aloha ireo izay manao izay rehetra azo atao hanafainganana ny asan’ny tetezamita mba tsy hitarazohany ; fa eo kosa ireo izay manao ny fomba rehetra hampihemorana lava ny fifidianana ka hampaharitra ny krizy sy ny fitondrana tetezamita. Samy mahay miaro ny heviny ireo vondrona roa lehibe ireo ka izay no mahasarotra ny toe-draharaha amin’izao fotoana, hoy ihany Ranjivason Jean Théodore. Nitsotra moa izy fa tsy mora mihitsy ny adihevitra eny amin’ny lapan’Anosikely satria samy tsy manaiky lembenana amin’ny foto-kevitra ijoroany ny tsirairay avy. Araka ny filazany anefa dia ny fanatanterahana fifidianana faran’izay haingana ihany no vahaolana ivoahana amin’izao krizy izao.

Efa ho roa taona latsaka no tsy nanana rafitra sy lalàna mazava hitantanana azy ny firenena malagasy ka izay no tokony hahamaika antsika handany ny lalampanorenan’ny Repoblika faha-4, ho fototra hitantanana ny firenena, hoy ity mpikambana ao amin’ny CST ity. Na dia sarotra aza ny fikarohana ny marimaritra iraisana nandritra ireo dinika maro samihafa niarahan’ny mpanao politika teto an-toerana, dia hita fa mety sy tsara kokoa noho ny zavatra natao tany Maptuo ny fehin-kevitra nivoaka tao, hoy ihany i Ranjivason. Tokony hotohizana ny ezaka ary tsy tokony ho variana amin’ny ady seza sy ny fifanasana vangy ireo mpanao politika fa mba tena hijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena, araka ny filazany ihany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT