Na dia teo aza ny resabe nilazana fa foana hatreo ny resaka Frantsafrika amin’ny endriny ratsy sy ny hoe tsy hitsabaka amin’izay hahasoa an’i Madagasikara ny fitondrana Hollande dia toa resaka fotsiny ihany izany.
Araka ny tenin’ilay masoivoho frantsay vaovao eto amintsika, Atoa François Goldblatt, omaly mantsy dia tokony aorian’ny fifidianana vao hiverina an-tanindrazana i Marc Ravalomanana. Tsy niandry ela ny valin-kafatra tao amin’ny Magro Behoririka, ka nilazan-dRandrianjatovo Henri, CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, fa dia fanosihosena ny sori-dalana no ataon’ny Frantsay.
«Tsy hisy fifidianana izany eto raha tsy tonga ny filoha Ravalomanana. Mialoha ny fifidianana no hiverenany eto an-tanindrazana », hoy izy nanamafy ary na ireo fepetra hisian’ny fitoniana aza tsy misy voahaja. Araka ny fanazavany ihany dia hatry ny omaly ka hatramin’ny sabotsy ho avy izao dia misy fivoriana any Addis Abeba handinihina izay fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana izany. Ny alatsinainy ho avy, hoy Randrianjatovo Henri no hamantarana ny vokatr’izay fivoriana izay. “Tsy manana kandida afa-tsy ny prezida Marc Ravalomanana izahay”, hoy ihany izy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.