«Tsy misy afa tsy ny fifamelan’ny filoha Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT Andry Nirina Rajoelina ihany no hany vahaolana tokana hivoahan’ny firenena amin’ny krizy».
Io no nambaran’ny filohan’ny kaoperativa KOMAFILA 148, Randrianazanany Victor Lalao, raha naneho ireo hevitra saika harosony tany amin’ny fihaonambem-pirenena izay nanomboka ny alatsinainy lasa teo izy. Tsy afa-mandray anjara amin’izany mantsy izy na dia naniry aza noho izy tsy voasoratra anarana ho isan’ny mpandray anjara. Amin’ny maha mpino Kristianina ny vahoaka Malagasy no hanolorany ny soso-kevitra, araka ny nambarany ihany. Laharam-pahamehana ao anatin’izany ary hanaovany antso avo ny fiombonam-panahy amin’Andriamanitra arahin’ny fanovana ny toetra sy ny saina ary ny fanahy ho an’ny tsirairay. Amin’ny alalan’ilay fotoam-pivavahana lehibe hotarihin’ny FFKM hotontosaina etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, aorian’ity fihaonambem-pirenena ity no tokony hanatontosana izany, hoy ihany Randrianazanany Victor Lalao. Mialoha izany anefa dia angatahany ny hanafoanan’ny fitsarana ny fanamelohana ny filoha Marc Ravalomanana hahafahan’izy mirahalahy mianaka mifamela tokoa.
Tanterahina ny fifidianana izay ho filoham-pirenena aorian’izany ary omena alalana hilatsaka avokoa izay olom-pirenena rehetra vonona ny ho amin’izany. Anisan’izany izy mirahalahy mianaka. Izay mahazo vato betsaka indrindra amin’ny mpandray anjara no hatao filoham-pirenena araka ny soso-kevitr’ity filohan’ny kaoperativa KOMAFILA ity ihany raha hatao praiministra kosa izay mahazo ny laharana faharoa. Mba hisorohana ny romoromo anefa, araka fanazavana azo ihany, dia hampidirana ho mpikambana eo anivon’ny governemanta izay mpifaninana nahazo vato tsaratsara. Ny hanafoanana ny fifanenjehana sy ny fifanaratsiana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany moa no tanjona hahafahana mamaha ny krizy ka hiadanan’ny vahoaka malagasy. Marihina fa amin’ny maha olom-pirenena sy mpanakanto ary mpanao asa soa azy no hanoloran’ity filohan’ny kaoperativa Komafila 148 ity io soso-kevitra io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.