Naneho ny heviny sahady mikasika izay Ben’ny tanŕna hitondra ny tanŕnan’Antananarivo atsy ho atsy Randrianazanany Victor Lalao, filohan’ny kaoperativa komafila 148. Nambarany fa mila Ben’ny tanŕna matahotra an’Andriamanitra sy mitsinjo ny tombontsoam-bahoaka Antananarivo.
Anisan’ny notsindrian’ity filohan’ny koperativa komafila ity manokana amin’ny maha mpanao asa soa azy ny mikasika ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina izay mampitaraina ny maro tokoa ankehitriny. Nokianiny ihany koa ny mikasika ny famerenana ny tsenan’Anjoma izay vao mainka hanome vahana ny halatra sy ny harom-paosy ankoatra ny fitohanan’ny fiarakodia sy ny loto mety haterany. Nambarany fa ny laharam-pahamehana sy ny mahamaika aloha hatreto dia ny famerenana ny fandriampahalemana amin’ny laoniny hialana amin’ny fitaintanana mahazo ny olom-pirenena isan’andro. Tokana ihany anefa, hoy izy ny olona azo antoka fa hahavita sy hahafehy izany, indrindra fa ny famerenana ny fiainam-pirenena amin’ny laoniny dia ny filoha Marc Ravalomanana izany. Zary ireo mpanao politika raindahiny mantsy ho izy tato ho ato no mahazo vahana izay marihina tsy nahavita na inona na inona akory ho an’ny firenena. Namaranany ny teniny moa ny hoe : raha tsy mitandrina ny fitondrana FAT dia hatelin’ireo dinôzôro manodidina azy ireo tsy ho ela noho ny fikatsahan’ireto farany ny tombontsoany manokana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.