Politique

Randrianazanany Victor Lalao Maniry ny hisian’ny fifamelan-keloka


  • Talata 05 Jolay 2011

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny Randrianazanany Victor Lalao, amin’ny maha taranaky ny Tolom-panafahana 1947 azy.

 Nambarany fa tsy ekena sy tsy rariny intsony raha mbola miaina ao anatin’ny hirifiry lalim-paka tahaka izao ny vahoaka Malagasy vokatry ny fitarazohan’ny krizy. Krizy izay miteraka olana marobe tokoa hoy ihany ity Raiamandreny ity toy ny fitombon’ny isan’ireo mpangalatra etsy sy eroa, ny mpivarotena ankoatra ireo disadisa ara-piarahamonina maro samihafa. Tsy tokony havela ho raraka an-tany, hoy ihany ity taranaky ny Tolom-panafahana 47 ity ny ran’ireo razambentsika izay nahafoy ny ainy ho fanavotana ny firenena. Manoloana izany ary dia nambarany fa ireo olona roa izay nipoiran’izao krizy izao ihany no hany tokana afaka mamaha izao krizy izao. Soso-kevitra natolony àry ny mba hisian’ny fifamelan-keloka eo amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina ka hifandraisan’izy ireo tanana. Arahin’ny fahafahan’ny tsirairay milatsaka malalaka amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena izany mba hampilamina ny firenena. Fifidianana izay nambaran-dRandrianazanany Victor Lalao ihany fa tokony hotanterahina eo ambany fanaraha-mason’ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba hisian’ny mangarahara tanteraka.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT