Randrianasolo Ravelonanosy Solomon Clovis

«Hamaivanina ny tekinisianina sy manam-pahaizana eto»


  • Talata 13 Mey 2025

Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.

Mety amin’ny fomba ara-dalàna no akàna izany, hoy ny filohan’izy ireo, Randrianasolo Ravelonanosy Solomon Clovis, na amin’ny alalan’ny tolom-bahoaka. Sarotra, noho izany, hoy izy, ny hitsara hoe haninona fotsiny ireo antoko politika miisa 300 mahery eto Madagasikara? Tsy maintsy manana vina izany maniry haka fahefàna izany. Hanontanian’ny minisiteran’ny atitany mihitsy izany. Any an-dafy, tahaka ny any Frantsa, izao misy firehana hoe ankavia na ankavanana ary hery afovoany. Ny ankavanana mirona amin’ny kapitalista. Ny ankavia sosialista. Samy manana ny maha izy azy ireo. Ny amerikanina kapitalista, misy ny hoe demokraty sy repoblikanina. Ny sinoa kaominista amin’ny lafiny politika. Eo amin’ny lafiny fihariana kosa izy liberaly. Ahoana izany no hizaràna ireo 300 eto? Ny an’ny Fanare efa mazava hoe mivoy ny rafitra andriamanjaka. Izay ilay hoe «monarque éclairer», tahaka ny hoe Andrianampoinimerina raha nanao fefiloha dia nanajary an’i Betsimitatatra. Azy ny tany fa ny vahoaka nanofa. Amin’izao fotoana kosa isika mahita hoe amidy amin’ny vahiny ny tany. Tsy afaka mihary ilay vahoaka satria tsy tompon’ny tany. Izay no maha resy lahatra amin’ilay hoe famerenana ny rafitra andriamanjaka. Ny asa tana-maro dia tamin’ny andron’Andrianampoinimerina. Ny vahoaka afaka miasa amin’ny tany fa ny andriana miantoka hena. Tsy misy vahoaka soavaly nianto-bilina izany. Frantsay daholo no ankamaroan’ny mpanolontsain’ny filoha Tsiranana nanomboka ny taona 1958. Izay no nahatonga ny hoe «accord de coopération» ny taona 1972 hoe andao isika hifanaraka amin’ny frantsay. Ambara foana hoe tamin’ny dadabe Tsiranana tsy nisy noana mihitsy fa voky foana ny olona. Ny mahagaga tokoa dia rehefa vazaha no mibaiko dia toa manaraka daholo ny olona fa ny ankehitriny koa anefa dia tsy hita hoe inona no fiantraikan’ny vinan’ny fitondràna ankehitriny amin’ny vahoaka? Maninona moa no namidy amin’ny arabo ny 100.000ha ao Bas Mangoky? Maninona ny tantsaha eto no tsy ampirisihana hamokatra? Manafatra vary indray no ataontsika. Mba miantraika amin’ny vahoaka ve izany vokatry ny fiharian-karena na PIB eto izany? Ny karàna indray eto no mahazo ny tsenan’ny solika nefa tsy manana solika. Isaorako ianareo ao amin’ny gazety Tia tanindrazana namoaka ny resako momba ny orinasa indonezianina Petromine. Havantsika ireo, maninona isika no tsy miaraka amin’ireo? Niteny ny Pasitera Andriamanjato Richard ny taona 1972 hoe ho to anie ny fahafahana! Rehefa nanangana ny AKFM Fanavaozana izy avy eo dia niteny hoe ho to anie ny fanavaozana! Tonga teto nefa iny ny filoha Macron dia nanao fifanarahana vaovao tamin’ny fitondràna indray. Ny «accord de coopération» tamin’izany no mbola fohazina. Hamaivanina ny tekinisianina sy manam-pahaizana eto. Ny tekinika nefa no tena mitondra ny fandrosoana. Tekinika daholo na io finday ampiasainao io, io informatika io hatramin’ny famotsiana nify. Tokony atao laharam-pahamehana ny fampianarana tekinika tahaka itony ataon-dry Tahina Razafinjoelina sy ny oniversiteny dia ny ITU itony, hoy hatrany ny Fanare.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT