Politique

Randrianasolo Jean Nicolas Nanakiana mafy ny mpanohitra


  • Alarobia 05 Oktobra 2016

Olo-mosare na hoe noana ireo misora-tena ho mpanohitra eto amintsika ankehitriny ireo, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas voafidy tany Betroka, satria olona efa teo amin’ny fitondrana daholo izy ireo fa very seza ka malahelo izany.

 

 Tonga dia ho lafatra ve ny fiainan’ny Malagasy raha miverina eo izy ireo, hoy izy ? Nisy olona nasandratry ny iraisam-pirenena izao nefa lasa mandrorona hitarika olona hidina an-dalambe indray. Nilaza ho tsy mbola miova amin’ny heviny amin’ny fanohanana ny fitondrana misy tarihan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny depiote Nicolas fa tsy miantoka ny hevitr’ireo namany kosa izy amin’izany. Aoka tsy hisy hihatsara ivelatsihy, hoy izy. Tsy mety 100%, hoy izy, izao fitondrana izao satria misy amin’ireo mpiara-miasa amin’ny Filoha olona nifaninana taminy tamin’ny fifidianana ka tsy afaka hanatanteraka ny praogramany velively. Raha ny raharaha Soamahamanina dia ny Mapar no ao ambadik’io, raha ny hevitr’ity solombavambahoaka ity, ary singanina manokana ny ministra Augustin Andriamananoro ministra “coach” iny Faritra iny tamin’izany. Raha ny resaka tany eny Andohatapenaka dia tsy tokony hidiran’ny minisitry ny fanajariana ny tany sy Ingahy Ravalomanana io resaka io fa tokony hitondra fanazavana betsaka aminy ny minisitra tompon’andraikitra tamin’ny tetezamita nanapa-kevitra tamin’io, hoy izy. Laron-dresaka avokoa izany nambaran’ny depiote Nicolas tamin’ny mpanao gazety teny Antaninarenina omaly izany fa ny tena tiany hotsindriana mafy dia ny resaka CLD nampisy resaka be tany amin’ny distrika nisy azy ka nanafarany ben’ny tanàna avy any an-toerana mihitsy notarihan’ny filohan’izy ireo Raharivelo Abel Julien ben’ny tanànan’i Beampombo I hitondra fanazavana fa safidin’izy ireo avy amin’ny kaominina 16 nivory tany an-toerana ny fananganana komity hitantanana io CLD any Betroka io fa anjaran’ny rehetra ny fampandrosoana ny kaominina fa tsy an’ny depiote Nicolas samy irery.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT