Politique

Randrianantoandro Eric “Ho an’ny diplaomasia manara-penitra sy mahomby”


  • Alarobia 13 Jolay 2011

Somary misahotaka tato ho ato ny ao amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny ao. Mba hahafantarana ny tena zava-misy marina no nanatonan’ny gazety Tia Tanindrazana ny Filohan’ny Sendikan’ireo antoko-draharaha manokana ho an’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny (SYNCORMAE), Randrianantoandro Eric sy nanaovana ity dinika manaraka ity.

 Tia Tanindrazana (T.T): Inona no mampisamboaravoara ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny sy ireo Diplaomaty matihanina, izay raha ny mahazatra dia tsy ahenoana feo loatra ?

Randrianantoandro Eric (R.E) : Voalohany aloha dia isaorana ianareo amin’ny lanja manokana omenareo ny Diplaomasia malagasy. Ho valin’ny fanotanianao dia ambarako mazava fa tsy korontana tsy akory no mitranga, fa manana faniriana lalim-paka ny Ministera misy anay, indrindra ireo “Agents Diplomatiques et Consulaires” sy ireo “Attachés des Affaires Etrangères” mba hisian’ny Diplaomasia malagasy manara-penitra sy mahomby kokoa, mifahatra amin’ny rariny sy ny hitsiny, amin’ny fanomezan-danja ny fahamendrehana ary ny fampiharana ny maha matihanina eo amin’ny fanatanterahana ny asa.

 

T.T : Azonao mba hazavaina bebe kokoa ve izany ?

R.E : Misy loza telo lehibe mifofo ny ain’ny Diplaomasia malagasy sy manamaloka ny hoaviny. Voalohany, ny fandraisana azy ho fitaovana mba hahazoan’ny vondron’olom-bitsy ny tombontsoany, izany hoe fampanjakana ny fomba fisainana ho fitaovana famelomana, na fanaovana izay hampanankarena ireo mpitondra sy ny olona akaiky azy, ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny sy ireo Masoivohon’i Madagasikara. Faharoa, ny fanitsakitsahana ireo fitsipi-pitondrantena mendrika amin’ny lafiny fitantanana eo amin’ny sehatry ny Diplomasia, dia ny Fanjakana tan-dalàna, ny Fitondrana tsara tantana, ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahombiazana. Aoka anefa hotsaroana fa tsy hahasoa na iza na iza ny fihazohazoana, ny fanaovana ampitso lava fa tsy maintsy hahafaty antoka ny firenentsika, amin’izao andron’ny fanatontoloana izay mahahenjana ny fifaninanana iraisam-pirenena sy fampiharana fitantanana mikendry vokatra azo tsapain-tanana izao. Fahatelo, ny fanambaniana ny lanjan’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny sy ireo Diplaomaty matihanina eo amin’ny fiangaliana ny fifandraisana iraisam-pirenena.

 

T.T : Teny hamaranana izao dinika mahaliana izao.

R.E : Eto am-pamaranana dia mamela ahy hamintina ireo fitakiana ilam-baliny maika avy amin’ny mpiasa rehetra ao amin’ny MAE, indrindra izay avy amin’ny diplaomaty matihanina. Ireto avy izy ireo : fanomezan-danja indray ny Ministera izay hanompoan’izy ireo ny firenena eo amin’ny sehatry ny diplaomasia, amin’ny fanajana sy ny fanatsarana ny tontolon’ny didy aman-dalàna manodidina izany ; fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny, ny fahamendrehana ary ny fomba fiasa matihanina eo amin’ny fitantanana ireo hoenti-manana, indrindra ny mpiasa, amin’ny famoahana haingana ny drafitra ara-drariny sy manara-penitra hoenti-mandrindra ireo fanendrena ny mpiasa rehetra ; ny sata manokana maharaka ny toetrandro ho an’ireo diplaomaty ; ary farany nefa tsy ny kely indrindra, ny fampiharana ny Fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana eo amin’ny rafitra ara-diplaomasia malagasy, na ao amin’ny Foibe na any amin’ireo Masoivoho.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT