Mbola ambentin-dresaky ny mpanara-baovao sy miteraka adihevitra hatrany ny zava-nitranga nandritra ilay fifampiarahabana noho ny asaramanitra teny Iavoloha ny Alarobia 09 janoary lasa teo iny.
Raha ho an’Atoa Randriamanjato David, izay anisan’ireo nafana fo tao Antsirabe tamin’ny fandrodanana ny fitondrana Ravalomanana ny taona 2009 dia gaga tamin’ny kabarin’i Andry Rajoelina, filohan’ny tetezamita tamin’iny fotoana iny. Raha ny novoiziny sy nodradraina tamin’ny haino aman-jerim-panjakana, hoy ity mpitolona ity dia ny tsy hisian’ny kabary politika fa ho firarian-tsoa ihany. Kabary politika ranofotsiny anefa no nataon-dRajoelina ka mampiharihary indray ny firefarefan’ny fanaovana politika nandritra ity tetezamita ity. Amin’Atao Randriamanjato David dia fihantsiana tsotra izao ny vondrona iraisam-pirenena ny kabary nataon-dRajoelina iny ary kabary fizahozahoana amin’ny zava-bita kanefa tsy mazava ny vola nanaovana ny asa. Lazaina fa volan’ny fanjakana madiodio ilay izy. Tsy fantatra anefa na avy aiza na mandalo aiza izy io ary ahoana ny fitantanana azy satria tsy hita ao anaty teti-bolam-panjakana akory ? Zon’ny vahoaka anefa ny mahalala ny loharanom-bola miasa eto amin’ny fireneny sy ny mety ho tambin’izany satria na ny praiminisitra azy efa nanambara ny tsy fahafantarany ny momba ireny. Mahamenatra ihany koa, hoy izy ny mahalala fa misy mpikambana ao amin’ny governemanta tsy mandray baiko avy amin’ny Praiminisitra fa avy dia any amin’ny Prezidansa.
Misy mpitandro filaminana tsy mandray baikon’ny lehibeny kanefa ny tsy fandriampahalemana sy ny vono olona sesilany. Mbola lazaina ve fa mandeha ny raharaham-pirenena amin’izany ? Mikasika ny fifidianana indray dia mihevitra Atoa Randriamanjato David fa tena mbola manjavonjavo ny momba izany satria raha miteny ny praiminisitra fa hotanterahina ny fifidianana dia tsy izay no zava-misy satria tsy miomana ny amin’izany akory i Andry Rajoelina satria mbola ny fanorenana fotodrafitrasa goavana ihany no himasoany izay midika fa tsy vonona hiatrika sy hanomana fifidianana izany ny tenany.
Raha ny nifanarahana tamin’ny nanaovana ny tetezamita tany am-piandohana dia 19 volana no haharetan’ny tetezamita, avy eo lasa 21 volana indray, ary amin’izao fotoana dia efa ho 50 volana mbola tetezamita ihany. Amiko, hoy ity mpitari-tolona teo aloha ity dia Rajoelina no sakana amin’io fifidianana io satria mbola mikendry ny hipetraka eo amin’ny fitondrana ihany ny tenany sady manambitamby ny olona satria tsy matoky tena ho lany, ny datin’ny 08 mey anefa efa akaiky.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.