Politique

Randriamampionona Célestin Maika ny fananganana governemanta tsy miandŕny


  • Alarobia 23 Janoary 2013

Latsaka an-katerena ny firenena. Maro ny rava fanŕnana sy very asa, mirongatra ny asan-jiolahy na an-tanan-dehibe na any ambanivohitra, maro ireo zaza tsy afa-mianatra intsony, tsy tomombana ny fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka, potika sy rava ny harena voajanahary sy ny tontolo ihainana, manjaka ny kolikoly.

 Izany dia noho ny krizy nateraky ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Tsy vao izao anefa no nisedra olana saro-bahàna ara-politika ny Malagasy, saingy tsy nahavaha olana ireo hevitra nampiharina hatramin’izay ka indro miverimberina ny toe-javatra iainantsika izao ary vao mainka aza mihombo ny aretina ka very fanahy mbola velona ny Malagasy. Tarazo navelan’ny fomba fanao politika sy ny fitantanana ny toe-karena no nahatonga izany, hoy Randriamampionona Célestin, ary nanampy trotraka ny vokatry ny tsy faihaiza-mitantana nandritry ny tetezamitaka namotika ny fototra maha-izy azy ny firenana ary mamela tarazo miha-lalim-paka eo amin’ny olom-pirenena isambatan’olona, eo amin’ny andrim-panjakàna ary eo amin’ny orinasa.

Izy ihany no mandroso vahaolana fa ilaina ny fananganana governemanta tsy miandany sy tantanan’ny teknisiana, hirosoana any amin’ny Repoblika faha-4, tsara fototra sy voatantana ao amin’ny mangarahara satria raha tsy voafehy tsara ny fivoahana amin’ny krizy dia hiverina ihany izany krizy izany, hoy hatrany Randriamampionona Célestin. Ity farany dia isan’ireo Malagasy resy lahatra fa ny “Vonjy Aina” atolotry ny Pr Ranjeva Raymond no lalan-kevitra hivoahana amin’izany krizy izany, hitsaboana sy hanasitranana ny aretina mikiky ny firenena ary koa hamerenana amin’ny laoniny ny fanjakàna tan-dalàna, ka hamerenana ny hasin’ny Fitsaràna mba hahaleotena marina sy hitokisan’ny vahoaka, toy izany koa ny mpitandro ny filaminana mba ho mpiaro marina ny vahoaka sy ny fanànany ary ny andrim-panjakana... Nanazava Randriamampionona Célestin fa io governemanta tsy miandàny io, izay eken’ny Iraisam-pirenena, no hamerina ny famatsiam-bola rehetra ary hikarakara ny fifidianana eken’ny rehetra satria azo antoka sy marina.

Nangonin’i Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT