Politique

Randriamahefa Henri Charles Tsara ny hisian’ny fifidianana amin’ity 2011 ity


  • Alarobia 13 Jolay 2011

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny Randriamahefa Henri Charles, solombavambahoakan’i Moramanga teo aloha no sady filohan’ny fikambanana FIZAFA na ny Fikambanana miahy ny zanak’olombelona sy ny zava-boahary ho fampandrosoana an’i Madagasikara.

 Nambarany fa mahatsara ny firenena ny hisian’ny fifidianana amin’ity taona 2011 ity, eny fa na dia iray aza no tratra. Na izany aza anefa dia notsindriany mafy fa tokony hatao vaindohan-draharaha ny fanarenana ireo lesoka tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka farany teo. Anisan’ny hevitra narosony hahafahana manatanteraka izany ny hanomezan’ny hery velona rehetra tanana ny CENI hisorohana ny mety hisian’ny fanakianana avy amin’ny hafa indray. Ho an-dRandriamahefa Henri Charles dia tokony ho ny fifidianana Ben’ny tanàna no hialoha lalana ny fifidianana hatao rehetra. Tontosaina eo ambany fanaraha-mason’ny any ivelany izany, araka ny heviny ihany, mba hisian’ny fitokisana tanteraka. Amin’ny ankapobeny mantsy, hoy ihany ity filohan’ny fikambanana FIZAFA ity dia tsy mifampatoky intsony ny Malagasy ka ilana ireo tomponandraikitra avy any ivelany. Mikasika ny fodian’ny filoha Ravalomanana kosa dia nambarany fa samy manana ny fomba fijeriny azy ny tsirairay mikasika izay voalazan’ny tondrozotra. Ho azy manokana dia malalaka ny fodian’ity filoha teo aloha ity saingy nambarany kosa fa raha mbola manana olana amin’ny resaka fitsarana izy dia mahatsara azy ny mijanona any ivelany ihany aloha.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT