Manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena dia nitondra ny heviny nanoloana ny mpanao gazety tao Ambositra ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Randimbisoa Jean Chrysostome, miara-dia amin’ny TIM Raharinaivo, miandraikitra ny faritra Amoron’i Mania.
«Mbola mihisatra ny toe-draharaha amin’ny lafiny politika na misy aza ny ezaka ataon’ny mpanelanelana vahiny”, hoy ny tenany. Nambarany fa raha tsy vita ireo fifidianana hatao izay ho eken’ny rehetra dia tsy hivaha ny krizy politika eto amintsika. Tsy mbola afaka miroso amin’ny fanatanterahana io fifidianana io anefa isika izao aloha, araka ny fanazavany satria tsy mbola feno ny fepetra ilaina hampadio sy hampangarahara ny fifidianana hatao manoloana ny zava-misy ankehitriny. Resy lahatra anefa ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity fa tsy azo irotorotoana ny fanatanterahana izany fifidianana izany. Izay no nahafahany nitondra vahaolana amin’ny krizy misy eto amintsika ka nilazany fa tokony hisy fifandeferana aloha eo amin’ireo mpanao politika rehetra dia mifanaraka hiara-kitantana ny firenena. Raha tsy tanteraka izany dia omen’ny FAT sehatra ny antoko mpanohitra mba hanara-maso ny fiainam-pirenena hirosoana amin’ny fifidianana.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.