Politique

Rampanjato Rarantoana Misy ny tribonaly miaramila, ampiasao !


  • Alarobia 19 Oktobra 2011

Raha revo amin’izay ho fanendrena ny praiminisitry ny marimaritra iraisana ny etamazaoro politika dia ny hoavin’ireo miaramila, indrindra manamboninahitra ambony voatana am-ponja any Tsiafahy sy Antanimora kosa no isintonan-dRampanjato Rarantoana ny eritreritry ny maro.

 Ireo voakasiky ny raharaha FIGN, BANI, … no asiany teny eto. Nambarany fa manana ny satany ny miaramila, ka tokony hohajaina izany. Miaramila no resaka, hoy izy, koa lojika raha Tribonaly miaramila no tokony hitsara an’ireo fa tsy fitsarana sivily. Noraisin’ity zandary misotro ronono sady miaramila tranainy isan’ny niady teo anilan’ny Frantsay tamin’ny 1958 ity, ny zava-nitranga tamin’ny 29 martsa 1947. Nosamborina ny Lietna isany Randriamaromanana sy Rampanjato, izay vazaha taratasy, nefa “nikomy” nanampy Malagasy. Rehefa izany dia voaheloka ho faty, ary notifirina teny Ankatso ny 28 aprily 1948. Voasambotra ireo, saingy tsy nalefa tany amin’ny fonja toy ny misy ankehitriny fa nampiharana ny sata miaramila.

Toy izany koa ny kolonely Brechard, izay voarohirohy tamin’ny raharaha Ratsimandrava ny 1975. Tsy nanaiky io manamboninahitra io raha tsy tribonaly miaramila no nitsarana azy. Tsy nalefa teny Antanimora izy fa notazonina tao amin’ny lakazerina ary “ambulance” no nitondrana azy rehefa hiatrika fitsarana, ary nanao fanamiana fitondra amin’ny lanonana miaraka amin’ny galona izy tamin’izany, raha ny fitantaran-dRampanjato Rarantoana hatrany. Nijoro vavolombelona ihany koa ny tenany fa voasambotra niaraka tamin’ny jeneraly Andrianafidisoa tamin’ny raharaha BANI ny Kolonely Alfred, izay zanany, ny 17 novambra 2007.

Nangataka ny hitsarana azy ireo amin’ny tribonaly miaramila izahay, hoy Rampanjato saingy namaly ny jeneraly Petera Behajaina, minisitry ny foloalindahy tamin’izany, fa misy sivily tafiditra tao anatin’io raharaha io, izay “sergent chef” misotro ronono, ka atao tribonaly sivily. Tsy miova amin’ny heviny anefa izy na teo aza izany, indrindra manoloana ny fisian’ireo manamboninahitra ambony voatana any am-ponjan’i Tsiafahy sy Antanimora ankehitriny ireo, ka nilaza fa tsy mendrika azy ireo any fa tokony hotazomina amina lakazerina ihany. Tsy ireo ihany koa no miaramila nanao hadisoana, raha nisy tokoa izany, saingy dia tazonina any an-dakazerina izy ireny, ho fanajana io sata miaramila io. Ary ny tribonaly miaramila no mamaha an’io olana io.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT