Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly alatsinainy 13 septambra teny amin’ny Centre de Conférences International Ivato ny Fihaonambem-pirenena, izay karakarain’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Vondron’olom-pirenena.
Haharitra dimy andro moa izy ity, ary araka ny fanisana farany dia maherin’ny 4000 ny mpandray anjara, tonga teny Ivato raha toa ka 2000 no neritreretina. Ankoatr’ireo solontena 12 isaky ny distrika sy ny fikambanana tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena, ny antoko politika mantsy, dia nisy ny olona hafa maro, nambaran’ny mpikarakara fa tonga teny amin’ny Immeuble FIARO Ampefiloha naka ny «badge» fa hoe te hitondra ny heviny mandritra ity fihaonana ity. Hita ihany anefa ny tandrevaka tamin’ny fanomanana ity fihaonambem-pirenena ity, izay niteraka savorovoro efa hatramin’ny sabotsy lasa teo, ary tonga hatreny Ivato mihitsy. Nandritra ny lahateny fanokafana no nanambaran’ny mpitandrina efa misotro ronono, Ramino Paul, filoha mpitarika ny Raiamandreny Mijoro fa zava-dehibe tokoa ity fihaonana ity na dia eo ihany aza ireo tsy mankasitraka azy. Tsy olana raha ny hevitra no miady, hoy izy, saingy tena zava-doza kosa raha ny olona no miady na manaiky ampiadiana noho ny hevitra tsy mitovy.
Nambarany fa tokony hahatsapa tsara ireo mpizaika rehetra eny Ivato, fa misolotena ny besinimaro sy ny firenena izy ireo, ary tena iankinan’ny hoavin’ny taranaka faramandimby mihitsy. Anisan’ny fanalahidin’ny fahombiazan’ity fihaonambem-pirenena ity moa araka ny nambaran’ny mpitandrina Ramino Paul ny fahaizan’ny mpizaika miady hevitra, ny fahaizan’ny mpitarika ny fivoriana mandamina ny adihevitra, ny lanjan’ny fanapahan-kevitra hivoaka any amin’ny vaomiera sy ny fivoriambe, indrindra fa ny fahatomombanan’ny fanatanterahana ny hevitra notapahana. Tsy ampy mantsy ny hoe avy nivory fotsiny, fa tsy maintsy fantatra ny ampiharana ny hevitra tinapaka, araka ny lahatenin’ny mpitandrina Ramino Paul ihany nandritra ny lanonam-panokafana ny fihaonambem-pirenena omaly. Nanainga ny mpizaika rehetra mba hifandray tanana sy hiteny mafy hoe : «Madagasikara, antsika jiaby» moa ny mpitandrina Ramino Paul ho fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny dinika sy ny adihevitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.