Tonga nitsidika sy nankahery an’i Rossy teny Mahamasina noho ny fahamaizan’ny fitaovana fanamafisam-peon’ny Kianjan’ny Kanto ny vondrona Mapar omaly notarihan’ny filoha lefitra Augustin Andriamananoro sy ireo solombavambahoaka Mapar tahaka an’i Christine Razanamahasoa,
Naivo Raholdina..Tsy kisendrasendra fa tena niniana natao ny fandoroana ilay toerana nisy ny fanamafisam-peon’ny Kianjan’ny Kanto hoy Rtoa Christine Razanamahasoa ; efa an-taonany maro izao no nanaovana antsojay sy ramatahora ny olon’ny Mapar hoy hatrany izy :nampangaina fa nitondra volabe hanakorontanana ny depiote Lanto Rakotomanga, nosamborina teny am-pandevenana i Augustin Andriamananoro, nisy fotoana efa nampidirina am-ponja ihany koa ny zanaky ny depiote Nina voafidy tao Mahajanga I.Fiadin’ny kanosa ny zavatra tahaka izany, hoy Christine Razanamahasoa.Nahitsy kosa ny depiote Rahasimannana Paul Bert na i Rossy raha nilaza omaly fa tanjon’ny fitondrana ny fanakanana ny firotsahan-kofidian’i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana filohampirenena ; tsy hanaiky an’izany izahay ary vonona amin’ny zava-drehetra ny Mapar , hoy i Rossy.Nifoha tamin’ny torimasony arak’izany ny vondrona politika miara-dia amin’i Andry Rajoelina ary azo antoka fa tsy hipetra-potsiny amin’izay manomboka izao fa ho avy amin’ny angady sy ny harona amin’ny fanoherana mahery vaika ny fitondram-panjakana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.