Nirefodrefotra omaly ny fanambarana nataon’ireo mpikambana amin’ny vaomiera manadihady manokana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita nanao ny tatitry ny dian’izy ireo farany teo tany Toamasina nanomboka ny fanadihadiana mikasika ny zava-tsy manjary loatra miseho eto amin’ity firenena ity ankehitriny.
Be dia be ny filohana kaomisiona mahazo fandrahonana, hoy ny CST Ramasy Adolphe. Masina anefa ny adidy amin’ny tanindrazana ka n’iza n’iza hanakantsakana sy handrahona ary hanampatra fahefana dia hijoro izahay ary hapoakanay tokoa ny marina rehetra amin’ny alalan’izao fanadihadiana ataonay izao. Tsy nisalasala koa ity CST ity nanambara fa tena misy tambajotrana “mafia” mihitsy amin’ireo trangan-javatra rehetra anaovanay fanadihadiana. Tsy maintsy ho avy ny fotoana hamoahanay ny anaran’izy ireo na dia misy mandrahona ho faty sahady aza ireo olona tena mahafantatra izany, hoy Ramasy Adolphe.
Mampanontany tena anay koa, hoy izy, ny tsy amatsian’ny ministeran’ny fitantanam-bola ny fanaovana ity fanadihadiana ataon’ny parlemantera ity nefa dia efa voasoratra tsara ao anaty sorabolam-panjakana ny amin’izany. Mbola fotoanan’ny fanarenana izao, hoy ny CST Rasolofo René mpampakateny, efa latsaka an-katerena loatra ny firenentsika ka mieritrereta ianareo mpanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena fa manam-piafarana ny alahelom-bahoaka ka sao … Efa nampanantena izahay, hoy ny CST Alain Ramaroson fa hatao mangarahara ny fampahafantarana ny vokatry ny fanadihadiana hataonay ary tsy hisy hikoso-maso eto ka hisy hatrany fampitam-baovao tsy tapaka homenay ka ato ho ato dia hidina hijery ny resaka fifanolanan-tany eto Antananarivo izahay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.