Politique

Ramasy Adolphe Azo kitihana ilay fifanarahana politika teny Ivato


  • Talata 05 Oktobra 2010


Tsy manaiky ny hisian’ny fihaonambem-pirenena faharoa hokarakarain’ny CNOSC ny Escopol, araka ny fanambarana nataon’i Adolphe Ramasy ny sabotsy lasa teo. Efa mazava ny tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena nadraisan’ny olona 4 000 mahery anjara teny Ivato, hoy izy. Efa nisy ihany koa ny fifanarahana politika in-droa miantaona, ka inona indray no mbola ilaina mihoatra izany. Nanamafy kosa anefa ity loholon’ny Arema teo aloha ity fa azo atao tsara ny mikitika na manitsy ilay fifanarahana politika nosoniavina teny Ivato ny zoma 13 aogositra raha ilaina. Mety misy mantsy, hoy izy ny hevi-baovao avy amin’ireo ankolafy politika hafa tsy nanatrika io dinika io, ka raisina an-tanan-droa izany. Afaka mifampidinika sy mifampiresaka ny andaniny sy ny ankilany dia asiam-panitsiana ilay fifanarahana politika.

Azo ampiana na analana izany izay voasoratra ao. Tsy azo ekena kosa, hoy i Adolphe Ramasy ny fametrahana zavatra vaovao hamahana ny krizy, fa izay misy eo no hatsaraina. Miantefa mivantana amin’ny Ankolafy Telo moa io hafatra io. Mahakasika kosa ny fanelanelanana iraisam-pirenena, dia tsy hoe mitsipaka marin-drano izany Atoa Ramasy Adolphe fa mametraka tsara kosa fa fandaminana fa tsy fanakorontanana no tokony hataon’ny SADC sy izay mpanelanelana vahiny ho avy eto, izany hoe mitondra izay soso-kevitra hanatsarana ny ventin-kevitra efa misy izy ireo fa tsy handroso hevitra vaovao hafa indray. Ny fifanarahana politika no tokony hatao fototra iaingana amin’izay fifanarahana rehetra mety hatao, araka ny hevitr’ity mpanao politika ity satria iny no efa neken’ny antoko politika maro. 

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT